HIRA 143
Andao Hiambina, Hiandry, ary Hiasa
Endrika Sary
	- 1. Jehovah marim-potoana. - Tsy ho tara Hara-magedona! - Ny ratsy rehetra ho foana, - Andraso dia ho hitanao. - (FIVERENANA) - ’Ndao mba hiambina, hiandry ary andao hiasa, - Satria Jehovah efa nikasa - Hanao tontolo vaovao. 
- 2. Misy andro efa notondroiny. - Efa tsy mihemotra intsony! - Haringany ireo mpikomy, - Kristy efa handresy izao. - (FIVERENANA) - ’Ndao mba hiambina, hiandry ary andao hiasa, - Satria Jehovah efa nikasa - Hanao tontolo vaovao. 
- 3. Mijaly, mampahonena, - ’Reo olona sesehena, - F’isika indray manantena. - Ny hoavy no andrandrao! - (FIVERENANA) - ’Ndao mba hiambina, hiandry ary andao hiasa, - Satria Jehovah efa nikasa - Hanao tontolo vaovao. 
(Jereo koa ny Mat. 25:13; Lioka 12:36.)