HIRA 147
Azo Antoka ny Fiainana Mandrakizay
Endrika Sary
1. Jehovah mampanantena
Fa ho vaovao ’ndray ny tany.
Ny olona manetry tena
No handova an’izany.
(FIVERENANA)
Fafao ny tomany,
F’azo antoka izany.
Dia sambatra am’izay!
Ho mandrakizay!
2. Ho lavorary sy faly
’Reo olona an-tapitrisa,
Hiadana, tsisy mijaly.
Tonga ny Paradisa!
(FIVERENANA)
Fafao ny tomany,
F’azo antoka izany.
Dia sambatra am’izay!
Ho mandrakizay!
3. Ny ranomaso hofafany,
Dia foana hatreo ny talaho.
’Reo havanao nodimandry
Mbola hofihininao.
(FIVERENANA)
Fafao ny tomany,
F’azo antoka izany.
Dia sambatra am’izay!
Ho mandrakizay!
(Jereo koa ny Isaia 25:8; Lioka 23:43; Jaona 11:25; Apok. 21:4.)