FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lff 15
  • Iza moa i Jesosy?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Iza moa i Jesosy?
  • Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • ANDAO HOHALALININTSIKA
  • FAMINTINANA
  • JEREO KOA IRETO
  • Hoatran’ny Ahoana ny Toetran’i Jesosy?
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Inona no Nataon’i Jesosy Tamin’izy Teto An-tany?
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Nahoana i Jesosy no Antsoina hoe Zanak’Andriamanitra?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
lff 15
Lesona 15. Jesosy mandeha eny an-tsaha.

LESONA 15

Iza moa i Jesosy?

Endrika Sary
Endrika Sary
Endrika Sary

Anisan’ny olona nalaza indrindra hatramin’izay i Jesosy. Na dia betsaka aza anefa no mahafantatra ny anarany, dia tsy hain’izy ireo hoe iza marina izy. Samy manana ny heviny momba azy koa ny olona. Inona no lazain’ny Baiboly momba an’i Jesosy?

1. Iza i Jesosy?

Anjely mahery mipetraka any an-danitra i Jesosy. Noforonin’i Jehovah talohan’ny zavatra hafa rehetra izy. Izany no antony iantsoana azy hoe “lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra.” (Kolosianina 1:15) Antsoin’ny Baiboly hoe ‘Zanak’Andriamanitra lahitokana’ koa izy, satria izy irery ihany no noforonin’i Jehovah mivantana. (Jaona 3:16) Niara-niasa akaiky tamin’i Jehovah Rainy i Jesosy, ka nanampy azy namorona ny zavatra hafa rehetra. (Vakio ny Ohabolana 8:30.) Mbola mifandray akaiky amin’i Jehovah foana i Jesosy hatramin’izao. Antsoina hoe “ny Teny” izy satria mpitondra tenin’Andriamanitra, izany hoe milaza ny hafatr’​Andriamanitra sy ny toromarika avy aminy.—Jaona 1:14.

2. Maninona i Jesosy no nanketỳ an-tany?

Nampiasa ny fanahy masina i Jehovah mba hanaovana fahagagana iray, 2 000 taona teo ho eo izay. Anjely tany an-danitra i Jesosy nefa nataony lasa zazakely tao an-kibon’ny virjiny iray atao hoe Maria. Lasa olombelona àry i Jesosy. (Vakio ny Lioka 1:34, 35.) Nanketỳ an-tany izy mba ho lasa Mesia, na Kristy, ka hamonjy ny olombelona.a Tanteraka tamin’i Jesosy daholo ny faminanian’ny Baiboly momba ny Mesia. Izay no nahafantaran’ny olona hoe izy no “Kristy, Zanak’ilay Andriamanitra velona.”—Matio 16:16.

3. Aiza i Jesosy izao?

Lasa fanahy i Jesosy rehefa natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty, ary niverina tany an-danitra. ‘Nasandratr’Andriamanitra ho amin’ny toerana ambony kokoa’ izy rehefa tonga tany. (Filipianina 2:9) Manana fahefana ambony be izao i Jesosy. I Jehovah irery ihany no manana fahefana ambony kokoa noho izy.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hodinihintsika bebe kokoa hoe iza marina i Jesosy ary nahoana no tena ilaina ny mahafantatra azy.

Jesosy sy Jaona Mpanao Batisa mijoro ao anaty rano ary maheno feo avy any an-danitra, taorian’ny batisan’i Jesosy.

4. Tsy Andriamanitra Mahery Indrindra i Jesosy

Ampianarin’ny Baiboly hoe na dia anjely mahery any an-danitra aza i Jesosy, dia mbola mankatò an’i Jehovah Andriamanitra Rainy izy. Resahina ao hoe inona no tsy mampitovy an’i Jesosy amin’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra. Alefaso ilay VIDEO.

VIDEO: Jesosy Kristy ve no Andriamanitra? (3:22)

Resahin’ireto andinin-teny ireto hoe inona no tsy mampitovy an’i Jehovah sy Jesosy. Vakio ny andinin-teny tsirairay, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

Vakio ny Lioka 1:30-32.

  • Rehefa jerena ny tenin’ilay anjely, inona no tsy mampitovy an’i Jesosy sy Jehovah Andriamanitra, ilay “Avo Indrindra”?

Vakio ny Matio 3:16, 17.

  • Inona no nolazain’ilay feo avy any an-danitra, tamin’i Jesosy natao batisa?

  • Feon’iza io, araka ny hevitrao?

Vakio ny Jaona 14:28.

  • Iza no lehibe kokoa sy manana fahefana kokoa: Ny raim-pianakaviana sa ny zanany?

  • Nantsoin’i Jesosy hoe Rainy i Jehovah. Inona no dikan’izany?

Vakio ny Jaona 12:49.

  • Araka io andininy io, nieritreritra ve i Jesosy hoe olona iray ihany izy sy ny Rainy? Ary ahoana ny hevitrao?

5. Voaporofo hoe i Jesosy no Mesia

Ireo faminaniana be dia be ao amin’ny Baiboly no nanampy ny olona hahafantatra ny Mesia, izany hoe ilay nofidin’Andriamanitra mba hanavotra ny olombelona. Inona, ohatra, ny faminaniana tanteraka tamin’i Jesosy tamin’izy tetỳ an-tany? Alefaso ilay VIDEO.

VIDEO: Tanteraka Tamin’i Jesosy ny Faminaniana (3:03)

Vakio ireto faminanian’ny Baiboly ireto, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

Vakio ny Mika 5:2. Resahina ao ny toerana hahaterahan’ny Mesia.b

  • Tanteraka tamin’i Jesosy ve io faminaniana io?—Matio 2:1.

Vakio ny Salamo 34:20 sy ny Zakaria 12:10. Resahina ao ny zavatra hitranga rehefa hovonoina ny Mesia.

  • Tanteraka ve ireo faminaniana ireo? —Jaona 19:33-37.

  • Araka ny hevitrao, nisy zavatra nataon’i Jesosy ve mba ho tanteraka aminy ireo faminaniana ireo?

  • Iza no Mesia rehefa dinihina ireo porofo ireo?

6. Mahasoa antsika ny mahafantatra tsara an’i Jesosy

Milaza ny Baiboly hoe tena ilaina ny mianatra momba an’i Jesosy sy ny zavatra hataony. Vakio ny Jaona 14:6 sy ny 17:3, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Nahoana no zava-dehibe ny mianatra momba an’i Jesosy?

Jesosy mampianatra lehilahy sy vehivavy ary ankizy.

I Jesosy no lalana satria nanampy antsika ho lasa naman’Andriamanitra izy. Antsoina hoe fahamarinana izy satria nampianatra ny marina momba an’i Jehovah. Izy koa no fiainana satria amin’ny alalany no hahazoantsika fiainana mandrakizay

MISY MITENY HOE: “Tsy mino an’i Jesosy ny Vavolombelon’i Jehovah.”

  • Ahoana no havalinao?

FAMINTINANA

Anjely mahery i Jesosy. Zanak’Andriamanitra izy, ary izy no Mesia.

Famerenana

  • Inona no ianarantsika momba an’i Jesosy rehefa jerena ny Kolosianina 1:15?

  • Inona no nataon’i Jesosy talohan’izy nanketỳ an-tany? (Ohabolana 8:30; Jaona 1:14)

  • Ahoana no ahafantarantsika hoe i Jesosy no Mesia?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Zanak’Andriamanitra i Jesosy. Midika ve izany hoe nanambady sy niteraka hoatran’ny olombelona Andriamanitra?

“Nahoana i Jesosy no Antsoina hoe Zanak’Andriamanitra?” (Lahatsoratra ao amin’ny jw.org)

Inona no porofo hoe tsy mampianatra momba ny Andriamanitra telo izay iray ny Baiboly?

“Andriamanitra ve i Jesosy?” (Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily 2009)

a Horesahina ao amin’ny Lesona 26 sy 27 hoe nahoana ny olombelona no mila famonjena ary ahoana no namonjen’i Jesosy antsika.

b Misy faminaniana iray miresaka hoe oviana i Jesosy no lasa Mesia. Jereo ny Fanamarihana 2.

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara