NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
“Fanomezana An-tsitrapo ho An’i Jehovah”
Ahoana no azontsika anaovana “fanomezana an-tsitrapo ho an’i Jehovah”? (1Ta 29:5, 9, 14) Andeha isika hijery ny sasany amin’izany. Ho afaka hanohana ny asa ataon’ny fandaminana isika amin’izay, na eo an-toerana izany na maneran-tany.
FANOMEZANA ATAO AMIN’NY ALALAN’NY INTERNET NA AROTSAKA AO AMIN’NY BOATY, MBA HANOHANANA NY:
ASA MANERAN-TANY
Fanorenana biraon’ny sampana sy biraon’ny fandikan-teny mitokana ary fampandehanana ny asa atao ao
Sekoly ara-baiboly
Mpanompo manontolo andro manokana
Fanampiana tra-boina
Fanaovana pirinty, famokarana video, famokarana lahatsoratra elektronika
FIANGONANA
Fandanian’ny fiangonana, toy ny jiro sy rano ary ny fikojakojana Efitrano Fanjakana
Fanomezana neken’ny fiangonana mba hanohanana ny:
Fanorenana Efitrano Fanjakana sy Efitrano Fivoriambe maneran-tany
Fandaharam-panampiana Eran-tany
Asa hafa atao maneran-tany
FIVORIAMBE
Anohanana ny asa maneran-tany ny fanomezana ataontsika mandritra ny fivoriamben’ny vondrom-paritra. Ny fanomezana ho an’ny asa maneran-tany avy eo no akana, rehefa mandamina fivoriamben’ny vondrom-paritra, fivoriamben’ny vondrom-paritra manokana, ary fivoriambe iraisam-pirenena.
Ny fanomezana mandritra ny fivoriamben’ny faritra kosa no andoavana ny fandaniana amin’ilay fivoriambe, toy ny hofan-trano. Raha misy ambiny ny volan’ny faritra, dia azo atao ny manao fanomezana ho an’ny asa maneran-tany.