Miarahaba olona liana tonga manatrika Fahatsiarovana
Hevitra Azo Resahina
●○○ MITORY
Fanontaniana: Iza moa i Jesosy?
Andinin-teny: Mt 16:16
Horesahina amin’ny manaraka: Inona no antony nahafatesan’i Jesosy?
○●○ VOALOHANY MAMANGY
Fanontaniana: Inona no antony nahafatesan’i Jesosy?
Andinin-teny: Mt 20:28
Horesahina amin’ny manaraka: Ahoana no hampisehoantsika fa mankasitraka ny vidim-panavotana isika?
○○● FAHAROA MAMANGY
Fanontaniana: Ahoana no hampisehoantsika fa mankasitraka ny vidim-panavotana isika?
Andinin-teny: Jn 17:3
Horesahina amin’ny manaraka: Inona no ho hitanao any amin’ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah?
EZAKA MANOKANA HIZARANA FANASANA FAHATSIAROVANA (23 Martsa–19 Aprily):
Misy fotoan-dehibe tianay hanasana anao. Olona an-tapitrisany eran-tany no hiara-mivory amin’ny zoma 19 Aprily, mba hahatsiaro ny nahafatesan’i Jesosy Kristy. Ity ny fanasana ho anao. Efa voalaza ao ny ora sy ny toerana hanaovana azy. Asainay koa ianao hanatrika an’ilay lahateny hoe: “Ataovy Izay Hahazoana ny Tena Fiainana!”, izay hatao herinandro alohan’io.
Horesahina amin’ny manaraka raha liana ilay olona: Inona no antony nahafatesan’i Jesosy?