NY FIANANTSIKA KRISTIANINA
Miezaha Foana Haneho Fitiavana ao An-tokantrano
Ny fitiavana no mampifandray tsara ny mpianakavy. Lasa sarotra amin’izy ireo ny miray saina sy miara-miasa foana, raha tsy eo ny fitiavana. Ahoana no azon’ny mpivady sy ny ray aman-dreny anehoana fitiavana ao an-tokantrano?
Raha be fitiavana ny lehilahy iray, dia ho zava-dehibe aminy ny zavatra ilain’ny vadiny sy ny heviny ary ny fihetseham-pony. (Ef 5:28, 29) Hanome izay ilain’ny fianakaviany eo amin’ny lafiny ara-nofo sy ara-panahy izy, anisan’izany ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana tsy tapaka. (1Ti 5:8) Raha be fitiavana ny vehivavy iray, dia hanaiky ny fahefan’ny vadiny izy sady “hanaja fatratra” azy. (Ef 5:22, 33; 1Pe 3:1-6) Tokony ho vonona hifamela heloka koa izy mivady. (Ef 4:32) Raha be fitiavana ny ray aman-dreny, dia hiahy ny zanany tsirairay sady hampianatra azy ho tia an’i Jehovah. (De 6:6, 7; Ef 6:4) Inona, ohatra, ny olana atrehiny any am-pianarana? Ahoana no iatrehany ny fitaoman’ny namana? Raha mifankatia ny mpianakavy, dia hahatsiaro ho voaro sy tsy hanana ahiahy izy ireo.
JEREO ILAY VIDEO HOE MIEZAHA FOANA HANEHO FITIAVANA AO AN-TOKANTRANO. VALIO IRETO AVY EO:
Raha be fitiavana ny lehilahy iray, ahoana no ampisehoany hoe manome izay ilain’ny vadiny izy sady tena tia azy?
Raha be fitiavana ny vehivavy iray, ahoana no ampisehoany hoe manaja fatratra ny vadiny izy?
Raha be fitiavana ny ray aman-dreny, inona no azon’izy ireo atao mba hilentika tsikelikely ao an-tsain’ny zanany ny Tenin’Andriamanitra?