NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Torio Ilay Vaovao hoe Kely Sisa dia ho Tsara Be ny Fiainana!
Hanao ezaka manokana isika amin’ny Novambra mba hitoriana amin’ny olona hoe kely sisa dia ho tsara be ny fiainana. (Sl 37:10, 11; Ap 21:3-5) Alamino ny fandaharam-potoananao mba hahafahanao mandray anjara betsaka araka izay azo atao. Afaka mifidy ny hanatratra 30 na 50 ora ianao amin’io volana io raha hanao mpisava lalana mpanampy.
Manomàna andinin-teny momba ny tontolo vaovao mba horesahinao amin’ny olona faran’izay betsaka. Mifidiana andinin-teny mahaliana ny olona ao amin’ny faritaninareo. Raha hitanao hoe liana ilay olona itorianao dia omeo Ny Tilikambo Fiambenana No. 22021 izy. Ataovy izay hanohizana an’ilay resaka, haingana araka izay azo atao, ary miezaha hanomboka fampianarana amin’ilay bokikely Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! Ho faly be isika hanao an’izay azontsika atao mba hiresahana ny “vaovao tsara momba ny zavatra tsara kokoa.”—Is 52:7.
JEREO ILAY HIRA HOE ILAY TONTOLO VAOVAO. VALIO IRETO AVY EO:
Inona ny zavatra tsara saintsainin’ilay ankizivavikely?
Inona ny zavatra tsy andrinao rehefa ao amin’ny tontolo vaovao?
Nahoana ianao no hazoto handray anjara feno amin’ilay ezaka manokana amin’ny Novambra raha misaintsaina ny zavatra antenainao?—Lk 6:45