HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
“HO FATY NY ANKOHONAN’I AHABA REHETRA”—2Mp 9:8
FANJAKAN’NY JODA
I Josafata no mpanjaka
t. 911 T.K.: I Jorama (zanak’i Josafata; vadin’i Atalia, zanakavavin’i Ahaba sy Jezebela) irery no nanjaka
t. 906 T.K.: Lasa mpanjaka i Ahazia (zafikelin’i Ahaba sy Jezebela)
t. 905 T.K.: Novonoin’i Atalia daholo ny taranaky ny mpanjaka rehetra ary nalainy an-keriny ny fitondrana. I Joasy zafikeliny irery sisa no tsy maty satria nafenin’i Joiada Mpisoronabe.—2Mp 11:1-3
898 T.K.: Lasa mpanjaka i Joasy. Novonoin’i Joiada Mpisoronabe i Atalia Mpanjakavavy.—2Mp 11:4-16
FANJAKAN’NY ISRAELY
t. 920 T.K.: Lasa mpanjaka i Ahazia (zanakalahin’i Ahaba sy Jezebela)
t. 917 T.K.: Lasa mpanjaka i Jorama (zanakalahin’i Ahaba sy Jezebela)
t. 905 T.K.: Novonoin’i Jeho i Jorama mpanjakan’ny Israely sy ny rahalahiny rehetra, Jezebela maman’i Jorama, ary Ahazia mpanjakan’ny Joda sy ny rahalahiny rehetra.—2Mp 9:14–10:17
t. 904 T.K.: Lasa mpanjaka i Jeho