NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Tsy Hivadika Ianao Raha Mahavita Mifehy Izay Eritreretinao
Tsy amin’izay lazaintsika na ataontsika ihany isika no mampiseho hoe tsy mivadika, fa amin’izay eritreretintsika koa. (Sl 19:14) Izany no mahatonga ny Baiboly hampirisika antsika hieritreritra zavatra marina, zava-dehibe, mety, madio, mahatehotia, tsara laza, mendrika, ary mendri-piderana. (Fi 4:8) Marina hoe mety hieritreri-dratsy ihany isika indraindray. Mila mifehy tena anefa isika dia manala an’izany ao an-tsaintsika, ary mieritreritra zavatra tsara. Hahavita tsy hivadika isika amin’izay ataontsika raha miezaka ny tsy hivadika amin’izay eritreretintsika.—Mr 7:21-23.
Soraty eo ambanin’ny andinin-teny tsirairay ny karazana eritreritra tokony hohalavirintsika: