LAHATSORATRA FIANARANA 34
Mianara avy Amin’ny Faminanian’ny Baiboly
“Izay lalin-tsaina ihany no hahazo.”—DAN. 12:10.
HIRA 98 Avy Amin’Andriamanitra ny Soratra Masina
HO HITANAO ATOa
1. Inona no hanampy anao ho tia mianatra ny faminanian’ny Baiboly?
“TIAKO ny mianatra ny faminanian’ny Baiboly!” Izany no nolazain’ny rahalahy tanora atao hoe Ben. Hoatr’izany koa ve ianao? Sa sarotsarotra aminao ny mianatra faminaniana? Mieritreritra aza angamba ianao hoe mankaleo be izany. Mety hiova hevitra anefa ianao raha fantatrao kokoa hoe nahoana i Jehovah no nampiditra an’ireny tao amin’ny Teniny.
2. Inona no hodinihintsika ato?
2 Hojerentsika ato hoe nahoana isika no tokony hianatra ny faminanian’ny Baiboly. Ho hitantsika koa hoe ahoana no ianarana azy ireny. Handinika faminaniana roa avy ao amin’ny bokin’i Daniela isika avy eo, mba hahitantsika hoe nahoana no manampy antsika dieny izao ny mahazo azy ireny.
NAHOANA ISIKA NO TOKONY HIANATRA FAMINANIANA?
3. Inona no mila atao raha te hahazo ny faminanian’ny Baiboly isika?
3 Mila mangataka fanampiana isika raha te hahazo ny faminanian’ny Baiboly. Andao hatao hoe mitsidika toerana iray mbola tsy nalehanao ianao. Mahafantatra tsara an’ilay toerana anefa ny namanao iray, ary miara-dalana aminao izy. Fantany tsara hoe aiza ho aiza ianao, ary mitondra mankaiza ny lalana tsirairay. Azo antoka hoe faly ianao satria nanaiky hiara-dalana aminao izy! Hoatr’izany koa i Jehovah. Fantany tsara hoe aiza ho aiza isika amin’ny fandehan’ny fotoana, ary inona no miandry antsika ao aloha ao. Tsy maintsy manetry tena àry isika dia mangataka ny fanampian’i Jehovah, raha te hahazo ny faminanian’ny Baiboly.—Dan. 2:28; 2 Pet. 1:19, 20.
Ho vonona hiatrika ny hoavy isika rehefa mianatra ny faminanian’ny Baiboly (Fehintsoratra 4)
4. Nahoana no nasain’i Jehovah nosoratana ao amin’ny Teniny ny faminaniana? (Jeremia 29:11) (Jereo koa ny sary.)
4 Hoatran’ny ray be fitiavana i Jehovah, ka tiany hanana hoavy sambatra ny zanany. (Vakio ny Jeremia 29:11.) Tsy hoatran’ny ray olombelona anefa izy, satria afaka milaza mialoha an’izay hitranga amin’ny hoavy, ary marina tsara foana izay lazainy. Nasainy nosoratana ao amin’ny Teniny ny faminaniana, amin’izay isika afaka mahafantatra mialoha an’izay zava-dehibe hitranga. (Isaia 46:10) Fanomezana avy amin’ilay Raintsika any an-danitra ny faminanian’ny Baiboly, satria tia antsika izy. Nahoana anefa ianao no afaka mahazo antoka hoe hitranga tokoa ireny zavatra resahin’ny Baiboly mialoha ireny?
5. Inona no azon’ny tanora ianarana avy amin’i Max?
5 Matetika no olona zara raha manaja ny Baiboly, na tsy manaja azy io mihitsy, no manodidina ny tanorantsika any am-pianarana. Mety hahatonga ny tanora Vavolombelona hisalasala momba an’izay inoany ny zavatra lazain’ireny olona ireny sy ny fitondran-tenany. Mariho izay nitranga tamin’i Max. Hoy izy: “Nanomboka nisalasala aho tamin’izaho folo taona mahery, raha tena ny fivavahana marina no nampianarin’i Dada sy Neny ahy. Nisalasala koa aho raha tena avy amin’Andriamanitra ny Baiboly.” Dia inona no nataon’ny ray aman-dreniny? Izao no noresahin’i Max: “Tony be ry zareo na dia fantatro aza hoe nanahy.” Novalian’ny ray aman-drenin’i Max avy tao amin’ny Baiboly ny fanontaniany. Nanao zavatra koa anefa izy. Nanazava izy hoe: “Izaho mihitsy no nianatra ny faminaniana, dia noresahiko tamin’ny tanora hafa ny zavatra nianarako.” Dia inona no vokany? Izao no nolazain’i Max: “Lasa resy lahatra aho taorian’izay hoe avy amin’Andriamanitra ny Baiboly!”
6. Inona no mila ataonao raha misy mampisalasala anao, ary nahoana?
6 Hoatran’i Max ve ianao, ka manomboka misalasala raha tena marina izay resahin’ny Baiboly? Raha izany, dia aza manamelo-tena. Mila manao zavatra anefa ianao. Hoatran’ny harafesina mantsy ny fisalasalana, ka hanimba tsikelikely ny zava-tsarobidy raha avela amin’izao. Ahoana àry no hanesoranao ny “harafesina” eo amin’ny finoanao? Saintsaino izao: ‘Mino ny zavatra resahin’ny Baiboly momba ny hoavy ve aho?’ Raha tsy azonao antoka izany, dia mila mianatra an’ireo faminanian’ny Baiboly efa tanteraka ianao. Ahoana no hanaovanao an’izany?
AHOANA NO HIANARANA FAMINANIANA?
Tsy maintsy manetry tena sy mandalina ary manana antony tsara isika rehefa mianatra faminaniana. Hatoky an’i Jehovah hoatran’i Daniela isika amin’izay (Fehintsoratra 7)
7. Ahoana no fomba fianarana faminaniana, araka ny modely nomen’i Daniela? (Daniela 12:10) (Jereo koa ny sary.)
7 Ahoana no hianaranao faminaniana? Namela modely ho antsika i Daniela. Antony tsara no nianarany ny faminaniana. Te hahafantatra ny marina izy. Nanetry tena koa izy. Niaiky mantsy izy hoe hampian’i Jehovah hahazo ny faminaniana izay tia azy sy manaraka ny fitsipiny. (Dan. 2:27, 28; vakio ny Daniela 12:10.) Hita hoe nanetry tena i Daniela rehefa niantehitra tamin’i Jehovah mba hahazoana fanampiana. (Dan. 2:18) Nandalina tsara koa izy. Nanao fikarohana tamin’izay Soratra Masina nananany tamin’izany izy. (Jer. 25:11, 12; Dan. 9:2) Ahoana no anahafanao an’i Daniela?
8. Nahoana ny olona sasany no mianatra ny faminanian’ny Baiboly? Inona anefa no tokony hataontsika?
8 Diniho ny antony ianaranao faminaniana. Mianatra ny faminanian’ny Baiboly ve ianao satria tena te hahafantatra ny marina? Raha izany, dia hanampy anao i Jehovah. (Jaona 4:23, 24; 14:16, 17) Inona koa no mety hahatonga ny olona hianatra faminaniana? Manao an’izany ny sasany, satria te hahita porofo hoe tsy avy amin’Andriamanitra ny Baiboly. Tiany hoporofoina mantsy hoe izy ihany dia efa afaka mamaritra ny tsara sy ny ratsy, ary afaka manao izay tiany izy. Tokony ho antony tsara anefa no ianarantsika. Misy toetra lehibe iray koa mila ananantsika mba ho azontsika ny faminanian’ny Baiboly.
9. Inona ny toetra ilaintsika mba hahazoantsika ny faminanian’ny Baiboly? Hazavao.
9 Miezaha hanetry tena. Mampanantena i Jehovah hoe hanampy ny olona manetry tena. (Jak. 4:6) Mila mivavaka àry isika mba hampiany hahazo ny faminanian’ny Baiboly. Tsy maintsy miaiky koa isika hoe mila ny fanampian’ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina, satria izy io no ampiasainy mba hanomezana antsika sakafo ara-panahy amin’ny fotoana mety. (Lioka 12:42) Andriamanitry ny filaminana i Jehovah, ka ara-dalàna raha io ihany no ampiasainy mba hanampiana antsika hahazo ny fahamarinana ao amin’ny Teniny.—1 Kor. 14:33; Efes. 4:4-6.
10. Inona no ianaranao avy amin’i Esther?
10 Miezaha handalina. Mifidiana faminaniana iray mahaliana anao, dia iny aloha anaovana fikarohana. Izany no nataon’ny Ranabavy Esther. Nahaliana azy ny faminaniana momba ny fiavian’ny Mesia. Izao no nolazainy: “Nanomboka nikaroka porofo aho tamin’izaho 15 taona, raha tena nosoratana talohan’ny andron’i Jesosy tokoa ireny faminaniana ireny.” Resy lahatra izy rehefa namaky momba ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty. Hoy izy: “Nosoratana talohan’ny andron’i Kristy ny sasany tamin’ireny horonana ireny. Tsy maintsy hoe avy amin’Andriamanitra àry ny faminaniana ao anatin’izy ireny.” Niaiky hoatr’izao koa i Esther: “Nila naverimberiko novakina ilay izy vao azoko.” Faly anefa izy satria tsy very maina ny ezaka nataony. Izao no nolazainy rehefa avy nandalina faminaniana maromaro izy: “Izaho mihitsy izao no miaiky hoe marina ny Baiboly!”
11. Inona ny soa raisintsika raha resy lahatra isika hoe marina ny Baiboly?
11 Inona no vokany rehefa hitantsika ny fomba nahatanterahan’ny faminaniana sasany ao amin’ny Tenin’Andriamanitra? Lasa matoky tanteraka an’i Jehovah isika, sady matoky ny fomba itarihany antsika. Ny faminanian’ny Baiboly koa no manampy antsika hatoky hoe mbola ho avy ny maraina, na inona na inona fisedrana atrehintsika amin’izao. Hodinihintsika vetivety izao ny faminaniana roa nosoratan’i Daniela. Tanteraka izy ireo amin’izao. Ho afaka handray fanapahan-kevitra tsara isika rehefa mahazo azy ireo.
MISY VOKANY AMINAO VE ILAY TONGOTRA VY SY TANIMANGA?
12. Mifanitsy amin’iza ilay tongotra ‘vy mifangaro tanimanga mbola lena’? (Daniela 2:41-43)
12 Vakio ny Daniela 2:41-43. Nahita sarivongana i Nebokadnezara Mpanjaka, tao amin’ilay nofy nohazavain’i Daniela. ‘Vy mifangaro tanimanga mbola lena’ ny tongotr’ilay sarivongana. Rehefa mampitaha an’io faminaniana io amin’ny faminaniana hafa ao amin’ny bokin’i Daniela sy ny Apokalypsy isika, dia resy lahatra hoe mifanitsy amin’i Grande-Bretagne sy Etazonia ilay tongotra. Ny Anglisy-Amerikanina mantsy no firenena matanjaka indrindra amin’izao. Izao no nolazain’i Daniela momba an’io firenena matanjaka io: “Hisy ampahany amin’ilay fanjakana ... hatanjaka, fa hisy ampahany kosa halemy.” Nahoana no malemy ny ampahany amin’izy io? Satria lasa tsy afaka mampiseho ny heriny hoatran’ny vy ilay fanjakana, noho ny ataon’ny sarambabem-bahoaka, izay oharina amin’ny tanimanga mbola lena.b
13. Inona ny fahamarinana lehibe lasa fantatsika rehefa azontsika io faminaniana io?
13 Betsaka ny fahamarinana lehibe ianarantsika avy amin’ny fanazavan’i Daniela momba an’ilay sarivongana, indrindra fa ny tongony. Voalohany, efa nampiseho ny heriny ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina. Anisan’ny nandresy, ohatra, ry zareo tamin’ny Ady Lehibe I sy II. Nihanalemy anefa io firenena matanjaka io, ary mbola hihamalemy foana satria mifandramatra ny vahoakany. Faharoa, io no firenena matanjaka farany, alohan’ny handringanan’ny Fanjakan’Andriamanitra ny fitondran’olombelona rehetra. Tsy hisy firenena hisolo azy io, na dia manohitra azy aza ny firenen-kafa indraindray. Fantatsika izany satria hopotipotehin’ilay “vato” ilay tongotra, izany hoe horinganin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina.—Dan. 2:34, 35, 44, 45.
14. Nahoana isika no hahay hanapa-kevitra rehefa azontsika ilay faminaniana momba ny tongotra vy sy tanimanga?
14 Resy lahatra ve ianao hoe marina ilay faminaniana momba ny tongotra vy sy tanimanga? Raha izany, dia hisy vokany amin’ny fomba itondranao ny fiainanao izany. Tsy hangoron-karena eto amin’ity tontolo efa ho rava ity ianao. (Lioka 12:16-21; 1 Jaona 2:15-17) Rehefa azonao tsara koa io faminaniana io, dia ho tsapanao hoe tena zava-dehibe ny asa fitoriana sy fampianarana. (Mat. 6:33; 28:18-20) Avy nandinika an’iny faminaniana iny isika teo, dia maninona raha saintsainina hoe: ‘Hita amin’ny fanapahan-kevitro ve fa resy lahatra aho hoe kely sisa ny Fanjakan’Andriamanitra dia handringana ny fitondran’olombelona rehetra?’
MISY VOKANY AMINAO VE NY ATAON’NY MPANJAKAN’NY AVARATRA SY ATSIMO?
15. Iza no “mpanjakan’ny avaratra” sy “mpanjakan’ny atsimo” amin’izao? (Daniela 11:40)
15 Vakio ny Daniela 11:40. Miresaka mpanjaka roa, na fitondram-panjakana roa, ny Daniela toko faha-11. Miady ireo mpanjaka ireo satria samy te ho lasa firenena matanjaka indrindra eran-tany. Rehefa nampitahaina tamin’ny faminaniana hafa ao amin’ny Baiboly io faminaniana io, dia lasa fantatsika hoe i Rosia sy ny mpanohana azy no “mpanjakan’ny avaratra”, ary ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina no “mpanjakan’ny atsimo.”c
Hatanjaka ny finoantsika ary tsy hanahy loatra isika, raha fantatsika hoe tanteraka ny faminanian’ny Baiboly rehefa manohitra antsika “ny mpanjakan’ny avaratra” sy “ny mpanjakan’ny atsimo” (Fehintsoratra 16-18)
16. Inona ny olana atrehin’ireo mipetraka ao amin’ny tanin’ny “mpanjakan’ny avaratra”?
16 Enjehin’ny “mpanjakan’ny avaratra” izao ny vahoakan’Andriamanitra mipetraka ao amin’ny taniny. Novonovonoina sy nampidirina am-ponja noho ny finoany ny Vavolombelona sasany. Tsy mampahatahotra an’ireo rahalahintsika anefa izany ataon’ny “mpanjakan’ny avaratra” izany, fa vao mainka aza manatanjaka ny finoany. Nahoana? Satria fantatr’izy ireo fa tanteraka ny faminanian’i Daniela rehefa enjehina ny vahoakan’Andriamanitra.d (Dan. 11:41) Ho be fanantenana sy tsy hivadika foana isika rehefa mahafantatra an’izany.
17. Inona ny olana natrehin’ny vahoakan’Andriamanitra ao amin’ny tany itondran’ny “mpanjakan’ny atsimo”, taloha sy amin’izao?
17 Nanafika mivantana ny vahoakan’i Jehovah koa ny “mpanjakan’ny atsimo” taloha. Be dia be, ohatra, ny rahalahy nigadra nandritra ny Ady Lehibe I sy II, satria tsy nanaiky handeha hiady. Noroahina tany am-pianarana koa ny ankizy Vavolombelona sasany satria tsy nety nanangan-tsaina. Tsy mivantana be hoatr’izany intsony, tato ho ato, ny fitsapana mahazo an’ireo rahalahy ao amin’ny tany fehezin’io mpanjaka io. Mbola miady mafy foana anefa ry zareo mba hampisehoana hoe tsy mivadika amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Rehefa misy fifidianana, ohatra, dia mety hisy Kristianina halaim-panahy hanohana antokom-politika iray, na olona iray milatsaka hofidina. Marina hoe tsy mandeha mifidy izy, nefa efa miandany ihany izy ao am-pony sy ao an-tsainy ao. Tena ilaina àry ny hoe tsy miandany amin’iza na iza isika, tsy amin’ny ataontsika ihany, fa ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika ao koa!—Jaona 15:18, 19; 18:36.
18. Inona no vokany eo amintsika rehefa hitantsika hoe miady ny “mpanjakan’ny avaratra” sy ny fahavalony? (Jereo koa ny sary.)
18 ‘Mifanoto ny mpanjakan’ny atsimo sy ny mpanjakan’ny avaratra.’ (Dan. 11:40, f.a.p.) Mety hanahy be ny olona tsy mino ny faminanian’ny Baiboly rehefa mahita an’izany. Samy manana fitaovam-piadiana niokleary mahavita mandringana ny zavamananaina rehetra eto an-tany mantsy ireo mpanjaka roa ireo. Fantatsika anefa fa tsy havelan’i Jehovah hitranga mihitsy izany. (Isaia 45:18) Na mifankahala aza ny “mpanjakan’ny avaratra” sy ny “mpanjakan’ny atsimo”, dia tsy mampikorontana ny saintsika izany, fa vao mainka aza manatanjaka ny finoantsika. Manaporofo mantsy izany fa efa akaiky ny faran’izao tontolo izao.
IANARO FOANA NY FAMINANIANA
19. Inona no tokony hekentsika momba ny faminaniana ao amin’ny Baiboly?
19 Tsy haintsika hoe ahoana no hahatanterahan’ny faminaniana sasany ao amin’ny Baiboly. Na i Daniela mpaminany aza tsy nahalala ny dikan’izay rehetra nosoratany. (Dan. 12:8, 9) Na tsy haintsika tsara aza anefa hoe ahoana no hahatanterahan’ny faminaniana iray, dia tsy midika izany hoe tsy ho tanteraka mihitsy ilay izy. Afaka matoky isika fa hampahafantarin’i Jehovah antsika ihany izay tokony ho fantatsika amin’ny fotoana mety, hoatran’ny nataony taloha.—Amosa 3:7.
20. Inona ireo faminanian’ny Baiboly ho tanteraka tsy ho ela, ary inona no tokony hataontsika foana?
20 Hisy hanao fanambarana hoe “fandriampahalemana sy filaminana!” (1 Tes. 5:3) Hanafika ny fivavahan-diso ny fitondram-panjakana eran-tany aorian’izay, ary handringana azy io. (Apok. 17:16, 17) Hanafika ny vahoakan’Andriamanitra ry zareo avy eo. (Ezek. 38:18, 19) Ny ady Aramagedona no hamarana an’izany rehetra izany. (Apok. 16:14, 16) Afaka matoky isika hoe hitranga tsy ho ela ireo. Mandra-pahatongan’izay anefa, dia asehontsika hoe mankasitraka an’ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra isika, rehefa mianatra an’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly, sady manampy ny hafa hanao hoatr’izany koa.
HIRA 95 Mihamazava ny Lalantsika
a Na ratsy hoatran’ny inona aza ny zava-mitranga eto amin’izao tontolo izao, dia afaka matoky isika hoe mbola hamiratra ny hoavy. Hatoky an’izany isika raha mianatra ny faminanian’ny Baiboly. Hodinihintsika ato hoe nahoana isika no tokony hianatra an’izay lazain’ny Baiboly mialoha. Handinika faminaniana roa ao amin’ny bokin’i Daniela koa isika, ary hojerentsika hoe nahoana isika no mandray soa raha mahazo azy ireo.
b Jereo ilay hoe “Mampahafantatra ‘ny Zavatra Hitranga Tsy ho Ela’ i Jehovah”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jona 2012, feh. 7-9.