LAHATSORATRA FIANARANA 28
HIRA 123 Ekeo Foana ny Fahefan’i Jehovah
Hainao ve ny Manavaka ny Fahamarinana?
“Miezaha ho mafy orina, ka ataovy fehikibo eo amin’ny andilanareo ny fahamarinana.”—EFES. 6:14.
HEVITRA HODINIHINA
Hianarantsika ato hoe ahoana no hahaizantsika manavaka ny fahamarinana nianarantsika avy amin’i Jehovah amin’ny lainga aelin’i Satana sy ny mpanohitra antsika.
1. Inona no tsapanao momba ny fahamarinana?
TIAN’NY vahoakan’i Jehovah ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Miorina amin’izany ny finoantsika. (Rom. 10:17) Lasa mino isika hoe namorona ny fiangonana kristianina i Jehovah mba ho “andry sy tohana ho an’ny fahamarinana.” (1 Tim. 3:15) Faly koa isika manaiky an’ireo “mitarika” eo amintsika. Manazava ny fahamarinana avy ao amin’ny Baiboly mantsy ry zareo sady manome tari-dalana mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra.—Heb. 13:17.
2. Inona no mety hitranga rehefa avy nianatra ny fahamarinana isika, araka ny Jakoba 5:19?
2 Mety mbola ho voafitaka ihany anefa isika, na dia efa manaiky ny fahamarinana aza sy manaiky hoe ny fandaminan’Andriamanitra no manome tari-dalana azo ianteherana. (Vakio ny Jakoba 5:19.) Tena tian’i Satana raha lasa tsy matoky ny Baiboly na ny tari-dalana azontsika avy amin’ny fandaminan’Andriamanitra isika.—Efes. 4:14.
3. Nahoana isika no mila mifikitra mafy amin’ny fahamarinana? (Efesianina 6:13, 14)
3 Vakio ny Efesianina 6:13, 14. Hampiasa lainga tsara lahatra ny Devoly atsy ho atsy mba hamitahana ny firenena rehetra, amin’izay ry zareo hanohitra an’i Jehovah. (Apok. 16:13, 14) Efa ampoizintsika koa hoe vao mainka hiezaka hamitaka ny vahoakan’i Jehovah i Satana. (Apok. 12:9) Tena zava-dehibe àry ny mizatra manavaka ny fahamarinana sy ny lainga, sy miezaka mankatò ny fahamarinana. (Rom. 6:17; 1 Pet. 1:22) Hiankina amin’izany mantsy ny hoe ho tafavoaka velona amin’ny fahoriana lehibe isika na tsia.
4. Inona no hodinihintsika ato?
4 Hodinihintsika ato ny toetra roa manampy antsika hanavaka ny fahamarinana avy ao amin’ny Baiboly, sy hanaiky ny tari-dalan’ny fandaminan’Andriamanitra. Hiresaka soso-kevitra telo tokony harahintsika isika avy eo, amin’izay isika mifikitra foana amin’ny fahamarinana.
TOETRA ILAINA RAHA TE HAHAY HANAVAKA NY FAHAMARINANA
5. Nahoana ny tahotra an’i Jehovah no manampy antsika hahay hanavaka ny fahamarinana?
5 Tahotra an’i Jehovah. Rehefa tena matahotra an’i Jehovah isika, dia tiantsika be izy ka tsy hanao zavatra mampalahelo azy mihitsy isika. Mazoto mianatra ny tsy mampitovy ny hoe mety sy tsy mety isika, ary ny marina sy ny lainga, amin’izay isika hankasitrahan’i Jehovah. (Ohab. 2:3-6; Heb. 5:14) Tsy tokony havelantsika ho lasa mahery kokoa noho ny fitiavantsika an’i Jehovah mihitsy ny tahotra olona. Mampifaly olona isika raha manao an’izany. Matetika anefa no mampalahelo an’i Jehovah ny zavatra mampifaly ny olona.
6. Nahoana ny tahotra olona no nahatonga ny mpiadidy folo hanova ny fahamarinana?
6 Mety ho voafitaka isika ka hiala amin’ny fahamarinana, raha olona no atahorantsika kokoa noho Andriamanitra. Diniho, ohatra, ireo mpiadidy 12 nitsikilo an’ilay tany nampanantenain’i Jehovah hoe homeny ny Israelita. Natahotra an’ireo Kananita ny folo tamin-dry zareo, dia izay no nahery kokoa noho ny fitiavany an’i Jehovah. Izao no nolazain-dry zareo tamin’ny Israelita namany: “Tsy ho vitantsika ny hiakatra hiady amin’io firenena io, fa mahery noho isika ry zareo.” (Nom. 13:27-31) Raha ny fijerin’olombelona dia natanjaka noho ny Israelita ny Kananita, ary marina izany. Fa ahoana ilay hoe tsy hahavita handresy ny fahavalony ny Israelita? Manilikilika an’i Jehovah izany! Tokony ho nifantoka tamin’izay tian’i Jehovah hataon’ny Israelita ireo mpitsikilo folo ireo. Tokony ho nosaintsainin’izy ireo koa izay nataony ho azy ireo tsy ela talohan’izay. Ho tonga saina ry zareo amin’izay hoe tsy misy dikany ny tanjaky ny Kananita raha oharina amin’ny an’i Jehovah, ilay Mahery Indrindra. Tsy hoatran’ireo mpitsikilo tsy nanam-pinoana ireo i Josoa sy Kaleba. Te hankasitrahan’i Jehovah ry zareo, dia niteny tamin’ny vahoaka hoe: ‘Raha ankasitrahan’i Jehovah isika, dia tena hoentiny hiditra ao amin’io tany io, ka homeny antsika io tany io.’—Nom. 14:6-9.
7. Ahoana no hataontsika raha te hatahotra kokoa an’i Jehovah isika? (Jereo koa ny sary.)
7 Ahoana no hatao raha tiantsika ny hatahotra kokoa an’i Jehovah? Mila eritreretintsika foana izay mampifaly azy, isaky ny mandray fanapahan-kevitra isika. (Sal. 16:8) Rehefa mamaky tantara ao amin’ny Baiboly ianao, dia eritrereto hoe: ‘Inona ny fanapahan-kevitra ho noraisiko raha izaho no teo?’ Andeha hatao hoe naheno an’ilay tatitra tsy mampahery avy amin’ireo mpiadidy folo ianao. Ho nino an’ilay izy ve ianao, ka lasa natahotra olona? Sa mahery kokoa noho izany ny fitiavanao an’i Jehovah sy ny fanirianao hampifaly azy? Taranaka iray manontolo no tsy nahay nanavaka ny fahamarinana noresahin’i Josoa sy Kaleba. Inona ny vokany? Tsy navela hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina ireo Israelita ireo.—Nom. 14:10, 22, 23.
Iza no ho ninoanao? (Fehintsoratra 7)
8. Inona ny toetra tsy maintsy iezahantsika mafy hananana, ary nahoana?
8 Fanetren-tena. Ampahafantarin’i Jehovah an’izay manetry tena ny fahamarinana. (Mat. 11:25) Manetry tena isika dia nanaiky hampianarina ny fahamarinana. (Asa. 8:30, 31) Tsy maintsy mitandrina anefa isika mba tsy ho lasa mirehareha. Raha mirehareha mantsy isika dia mety hieritreritra hoe marina koa ny hevitsika manokana, hoatran’ny torolalan’ny Baiboly sy ny tari-dalan’ny fandaminan’i Jehovah ihany.
9. Inona no azontsika atao mba hanetry tena foana?
9 Inona no hanampy antsika hanetry tena foana? Tadidio hoe bitika ihany isika raha oharina amin’i Jehovah. (Sal. 8:3, 4) Afaka mivavaka aminy koa isika mba hahay hanetry tena sy ho mora ampianarina kokoa. Hampian’i Jehovah isika mba tsy ho ny hevitsika no zava-dehibe kokoa fa ny heviny, izay omeny amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fandaminany. Rehefa mamaky Baiboly ianao, dia jereo izay hevitra manaporofo hoe tian’i Jehovah ny fanetren-tena fa halany ny fireharehana, ny avonavona, ary ny fanambonian-tena. Miezaha mafy koa hanetry tena foana, rehefa mahazo tombontsoam-panompoana mety hahatonga anao hisongadina.
AHOANA NO HIFIKIRANA MAFY AMIN’NY FAHAMARINANA?
10. Iza no nampiasain’i Jehovah mba hanome toromarika sy tari-dalana ny vahoakany?
10 Matokia foana ny toromarika omen’ny fandaminana. Nampiasa an’i Mosesy, dia avy eo i Josoa, i Jehovah tamin’ny andron’ny Israely, mba hanomezana toromarika ny vahoakany. (Jos. 1:16, 17) Nahazo fitahiana ny Israelita rehefa nanaiky hoe solontenan’i Jehovah Andriamanitra ireny lehilahy ireny. Rehefa niforona ny fiangonana kristianina, an-jatony taona tatỳ aoriana, dia ny apostoly 12 indray no nanome toromarika. (Asa. 8:14, 15) Nisy anti-panahy hafa tao Jerosalema avy eo nanampy an-dry zareo hanao an’izany. “Nihanatanjaka ny finoan’ireo fiangonana ary nihabetsaka isan’andro izy ireo”, rehefa nanaraka ny tari-dalana nomen’ireo lehilahy tsy nivadika ireo. (Asa. 16:4, 5) Mahazo fitahiana koa isika amin’izao rehefa manaraka ny toromarika omen’ny fandaminan’i Jehovah. Ahoana anefa no tsapan’i Jehovah raha tsy mety mankatò an’ireo notendreny isika? Mba hamaliana an’izany, dia andao isika handinika an’izay nitranga tamin’ny Israelita teny an-dalana ho any amin’ny Tany Nampanantenaina.
11. Inona no nitranga tamin’izay nanohitra an’i Mosesy, ilay nofidin’Andriamanitra hitarika ny Israelita? (Jereo koa ny sary.)
11 Nandritra an’ilay dia nataon’ny Israelita ho any amin’ny Tany Nampanantenaina, dia nisy olona ambony nanohitra an’i Mosesy sy ny andraikitra nankinin’i Jehovah taminy. Izao no nolazain-dry zareo: “Masina daholo ange ny vahoaka manontolo e [fa tsy i Mosesy irery], dia i Jehovah no eo aminy.” (Nom. 16:1-3) Marina aloha hoe masina “ny vahoaka manontolo” tamin’i Jehovah. I Mosesy anefa no nofidiny hitarika an’io vahoakany io. (Nom. 16:28) Rehefa nanakiana an’i Mosesy àry ireo mpikomy ireo, dia i Jehovah, raha ny marina, no nokianiny. Tsy nifantoka tamin’izay tian’i Jehovah ry zareo fa tamin’izay tiany, izany hoe ny hahazo fahefana sy haja bebe kokoa. Novonoin’Andriamanitra àry ny mpitarika an’ilay fikomiana sy ny olona an’arivony niandany tamin-dry zareo. (Nom. 16:30-35, 41, 49) Afaka matoky koa isika amin’izao hoe tsy ankasitrahan’i Jehovah izay tsy manaraka ny lamina apetraky ny fandaminana.
Iza no ho notohananao? (Fehintsoratra 11)
12. Nahoana isika no afaka matoky foana ny fandaminan’i Jehovah?
12 Afaka matoky ny fandaminan’i Jehovah foana isika. Rehefa hita mazava hoe mila ahitsy ny fahazoantsika ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, na ny fomba andaminana ny asan’ilay Fanjakana, dia tsy misalasala manao ny fanitsiana ilaina ireo mitarika. (Ohab. 4:18) Ny hampifaly an’i Jehovah mantsy no zava-dehibe indrindra amin-dry zareo. Manao izay tsara indrindra vitany koa ry zareo, mba hifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra ny fanapahan-kevitra raisiny. Ao amin’izy io mantsy no misy ny fenitra tsy maintsy arahin’ny vahoakan’i Jehovah rehetra.
13. Inona ilay hoe “modelin’ny teny mahasoa”, ary inona no tsy maintsy ataontsika amin’izy io?
13 “Aza ialana mihitsy ny modelin’ny teny mahasoa.” (2 Tim. 1:13) Inona ilay hoe “modelin’ny teny mahasoa”? Ny fampianarana kristianina hita ao amin’ny Baiboly. (Jaona 17:17) Ireny fampianarana ireny no fototry ny zavatra rehetra inoantsika. Nampianarin’ny fandaminan’i Jehovah isika mba hifikitra amin’io modely io. Hotahina isika rehefa manao an’izany.
14. Nahoana ny Kristianina sasany no tsy nifikitra intsony tamin’ny “modelin’ny teny mahasoa”?
14 Inona no mety hitranga raha miala amin’ilay “modelin’ny teny mahasoa” isika? Diniho ity ohatra ity. Nisy Kristianina nanely tsaho tamin’ny taonjato voalohany hoe efa tonga ny andron’i Jehovah. Nisy taratasy nolazaina hoe nosoratan’ny apostoly Paoly angamba, hono, nilaza an’izany. Tsy naka fotoana hanamarinana ny tena zava-nisy ny Kristianina sasany tany Tesalonika, fa tonga dia nino an’ilay tsaho sady nanaparitaka an’izany mihitsy aza. Tsy ho voafitaka anefa ry zareo raha nitadidy an’izay nampianarin’i Paoly tamin’izy mbola teo amin-dry zareo. (2 Tes. 2:1-5) Nanome torohevitra ny mpiara-manompo taminy i Paoly mba tsy hino an’izay rehetra henony. Mba hanampiana an-dry zareo amin’ny hoavy koa, dia izao no namaranany ny taratasiny faharoa ho an’ny Tesalonianina: “Ity no veloma nosoratan’ny tanako, izaho Paoly, sady amantarana ny taratasiko rehetra. Io no sora-tanako.”—2 Tes. 3:17.
15. Inona no azontsika atao mba ho voaro amin’ny fanazavana diso hoatran’ny hoe mitombina? Manomeza ohatra. (Jereo koa ny sary.)
15 Inona no ianarantsika avy amin’ny tenin’i Paoly ho an’ny Tesalonianina? Mila mahay manavaka isika rehefa maheno zavatra tsy mifanaraka amin’izay nianarantsika tao amin’ny Baiboly, na maheno tantara sarotra inoana. Nandefa taratasy tany amin’ireo rahalahintsika, ohatra, ny fahavalontsika tany amin’ny Firaisana Sovietika teo aloha. Nolazaina fa avy tany amin’ny foibe mihitsy ilay izy, ary nampirisika ny rahalahy sasany hanangana fandaminana hafa mahaleo tena. Hoatran’ny tena nitombina ny zavatra noresahin’ilay taratasy. Tsy voafitaka anefa ireo rahalahy tsy nivadika. Tonga saina ry zareo hoe tsy nifanaraka tamin’ny zavatra nianarany izay noresahin’ilay taratasy. Hoatr’izany koa amin’izao. Mampiasa ny teknolojia indraindray ny fahavalon’ny fahamarinana, mba hanakorontanana ny saintsika sy hampisara-bazana antsika. Tsy “mora mikorontan-tsaina” isika sady voaro, rehefa mieritreritra tsara raha mifanaraka amin’ny fahamarinana efa nianarantsika ny zavatra henontsika na vakintsika.—2 Tes. 2:2; 1 Jaona 4:1.
Aza manaiky ho voafitaky ny fanazavana diso hoatran’ny hoe mitombina (Fehintsoratra 15)a
16. Inona no tokony hataontsika raha misy tsy tena manaraka ny fahamarinana, araka ny Romanina 16:17, 18?
16 Miezaha hiray saina foana amin’ireo tsy mivadika amin’i Jehovah. Tian’Andriamanitra hiray saina isika rehefa manompo azy. Hiray saina foana isika raha mifikitra mafy amin’ny fahamarinana. Mampisy fisaratsarahana eo amin’ny fiangonana izay olona tsy tena manaraka ny fahamarinana, ka mampitandrina antsika Andriamanitra mba ‘hanalavitra azy ireny.’ Raha tsy izay, dia isika mihitsy no mety ho voatarika hiala amin’ny fahamarinana.—Vakio ny Romanina 16:17, 18.
17. Inona ny soa azontsika rehefa mahay manavaka ny fahamarinana isika sady mifikitra mafy amin’izany?
17 Ho voaro ny fifandraisantsika amin’i Jehovah sady hatanjaka foana ny finoantsika, rehefa mahay manavaka ny fahamarinana isika ary mifikitra mafy amin’izany. (Efes. 4:15, 16) Tsy ho voafitaky ny fampianaran-diso sy ny lainga aelin’i Satana isika, ary harovan’i Jehovah sy hokarakarainy mandritra ny fahoriana lehibe. Fikiro mafy foana àry izay marina, dia ‘hitahy anareo ilay Andriamanitry ny fiadanana!’—Fil. 4:8, 9.
HIRA 122 Hatanjaho ny Finoanao!
a SARY: Sary tsy tena izy mampiseho ny zava-nitranga tany amin’ny Firaisana Sovietika teo aloha, taona maro lasa izay. Rahalahy nahazo taratasy hoatran’ny hoe avy tany amin’ny foibe, nefa avy tany amin’ny fahavalontsika, raha ny marina. Mety hampiasa Internet ny fahavalontsika amin’izao mba hanaparitahana tsaho momba ny fandaminan’i Jehovah.