LAHATSORATRA FIANARANA 30
HIRA 36 Arovy ny Fonao
Lesona Lehibe Ianarantsika avy Amin’ny Mpanjakan’ny Israely
“Ho hitanareo indray fa tsy mitovy ny olo-marina sy ny ratsy fanahy, ary ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo azy.”—MAL. 3:18.
HEVITRA HODINIHINA
Hianarantsika ato hoe ahoana no namaritan’i Jehovah fa mpanjaka tsara na ratsy ny mpitondra teo amin’ny Israely, amin’izay azontsika izay takiny amin’ny mpanompony amin’izao.
1-2. Inona no lazain’ny Baiboly momba ny mpanjakan’ny Israely sasany?
MIRESAKA mpanjakan’ny Israely 40 mahery ny Baiboly.a Tantaraina amim-pahatsorana ao koa ny tsipiriany mahaliana momba ny sasany amin’ireo lehilahy ireo. Voalaza, ohatra, fa nanao zava-dratsy indraindray, na dia ny mpanjaka tsara aza. Eritrereto i Davida Mpanjaka. Hoy i Jehovah: “Nanaraka ahy tamin’ny fony manontolo [i Davida mpanompoko], ka tsy nanao afa-tsy izay tsara teo imasoko.” (1 Mpanj. 14:8) Nijangajanga tamina vadin’olona anefa izy, ary nanao tetika mba ho faty tany an’ady ny vadin’ilay vehivavy.—2 Sam. 11:4, 14, 15.
2 Betsaka tamin’ireo mpanjaka nivadika tamin’i Jehovah koa anefa no nanao zavatra tsara sasany. Diniho i Rehoboama. “Nanao ratsy” teo imason’i Jehovah izy. (2 Tan. 12:14) Nankatò an’Andriamanitra ihany anefa izy, dia navelany hifidy mpanjaka hafa ny foko folo. Nanao soa ho an’ny fireneny koa izy rehefa nanamafy ny tanàna nipetrahan-dry zareo.—1 Mpanj. 12:21-24; 2 Tan. 11:5-12.
3. Inona ny fanontaniana lehibe mipoitra, ary inona no hodinihintsika ato?
3 Misy fanontaniana lehibe mipoitra anefa. Raha sady nanao ny tsara no nanao ny ratsy ny mpanjakan’ny Israely, dia ahoana no namaritan’i Jehovah hoe tsy nivadika taminy izy? Hanampy antsika hahazo an’izay takin’i Jehovah amintsika ny valin’izany. Hiresaka zavatra telo nodinihin’i Jehovah isika, tamin’izy namaritra hoe mpanjaka tsara na ratsy no nitondra teo amin’ny Israely: Ny toe-pony sy ny fibebahany ary ny fanarahany ny fivavahana marina.
NANOMPO AN’I JEHOVAH TAMIN’NY FONY MANONTOLO
4. Inona no anisan’ny tsy nampitovy ny mpanjaka tsy nivadika tamin’i Jehovah tamin’ireo nivadika taminy?
4 Nanompo an’i Jehovah tamin’ny fo manontolo ireo mpanjaka nampifaly azy.b “Nitady an’i Jehovah tamin’ny fony manontolo”, ohatra, i Josafata mpanjaka tsara. (2 Tan. 22:9) Izao koa no lazain’ny Baiboly momba an’i Josia: “Tsy nisy mpanjaka hoatr’azy talohany, izay niverina tamin’i Jehovah tamin’ny fony manontolo.” (2 Mpanj. 23:25) Ary ahoana ny amin’i Solomona, izay nanao ratsy rehefa antitra? ‘Tsy nifikitra tanteraka tamin’i Jehovah ny fony.’ (1 Mpanj. 11:4) Hoy koa ny Baiboly momba an’i Abiama, mpanjaka nivadika tamin’Andriamanitra: ‘Tsy nifikitra tanteraka tamin’i Jehovah ny fony.’—1 Mpanj. 15:3.
5. Hazavao hoe hoatran’ny ahoana ny olona iray manompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo.
5 Rehefa hoatran’ny ahoana àry no lazaina hoe manompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo ny olona iray? Rehefa tsy fahazarana fotsiny ny fanompoany an’Andriamanitra. Manompo azy kosa izy satria tia sy mahafoy tena ho azy, ary miezaka manao hoatr’izany foana mandritra ny androm-piainany.
6. Inona no hanampy antsika hanompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo foana? (Ohabolana 4:23; Matio 5:29, 30)
6 Ahoana no anahafantsika an’ireo mpanjaka tsy nivadika, ka hanompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo foana? Halaviro izay mety hitaona anao hanao ratsy. Mety hampizarazara ny fontsika, ohatra, ny fialam-boly tsy mahasoa. Hoatr’izany koa ny naman-dratsy sy ny toe-tsaina tia vola. Raha tsikaritsika hoe misy zavatra manomboka mampihena ny fitiavantsika an’i Jehovah, dia tokony hanao zavatra haingana isika hanalana an’izany.—Vakio ny Ohabolana 4:23; Matio 5:29, 30.
7. Nahoana no zava-dehibe ny manalavitra an’izay mety hitaona antsika hanao ratsy?
7 Tsy tokony havelantsika ho lasa voazarazara ny fontsika. Raha tsy mitandrina mantsy isika, dia mety hamita-tena ka hieritreritra hoe tsy mila manalavitra an’izay mitaona antsika hanao ratsy, raha miezakezaka be manao zavatra ara-panahy. Andao, ohatra, hatao hoe manadio ny tranonao ianao. Sokafanao midanadana anefa avy eo ny varavarana sy ny varavarankely, dia entin’ny rivotra miditra ao an-trano daholo ny vovoka. Azo oharina amin’izany ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. Tsy ampy ny hoe manao zavatra tsara mba hifandraisana kokoa aminy. Tsy avelantsika hiditra ao am-pontsika koa ny “rivotra” na ny toe-tsaina maloton’izao tontolo izao, sao ho voazarazara ny fontsika, hoatran’ilay hoe tsy tiantsika hiditra ao an-tranontsika ny vovoka entin’ny rivotra.—Efes. 2:2.
NIBEBAKA NOHO NY FAHOTANY
8-9. Ahoana no nataon’i Davida sy Hezekia rehefa nanarina ry zareo? (Jereo ny sary )
8 Nanao fahadisoana lehibe i Davida Mpanjaka, araka ny hitantsika teo aloha. Rehefa nampahafantarin’i Natana mpaminany azy anefa ny fahotany, dia nanetry tena izy ka nibebaka. (2 Sam. 12:13) Nanenina be mihitsy izy, rehefa jerena ny teniny ao amin’ny Salamo faha-51. Tsy hoe mody nalahelo fotsiny i Davida mba hamitahana an’i Natana, na hoe amin’izay izy tsy voasazy.—Sal. 51:3, 4, 17, teny mampiditra azy.
9 Nanota tamin’i Jehovah koa i Hezekia Mpanjaka. Milaza ny Baiboly fa “lasa nirehareha ny fony. Dia tezitra taminy sy tamin’i Joda sy Jerosalema Andriamanitra.” (2 Tan. 32:25) Fa maninona izy no lasa nirehareha? Nihevi-tena ho ambony angamba izy, satria nanan-karena sy nandresy an’ireo Asyrianina ary nositranina tamin’ny fomba mahagaga. Mety ho izany no nahatonga azy hampideradera ny harenany tamin’ny Babylonianina, ka nananatra azy i Isaia mpaminany. (2 Mpanj. 20:12-18) Nanetry tena anefa i Hezekia dia nibebaka, hoatran’i Davida. (2 Tan. 32:26) Dia ahoana no fahitan’i Jehovah azy taorian’izay? Mpanjaka tsy nivadika ‘nanao izay tsara teo imasony foana’ izy.—2 Mpanj. 18:3.
Davida sy Hezekia Mpanjaka nanetry tena dia nibebaka, rehefa nampahafantarina azy ireo ny fahotany (Fehintsoratra 8-9)
10. Ahoana no nataon’i Amazia Mpanjaka rehefa nahazo fanitsiana izy?
10 Tsy hoatr’izany kosa i Amazia mpanjakan’ny Joda. Nanao izay tsara izy, “saingy tsy tamin’ny fony manontolo.” (2 Tan. 25:2) Inona no tsy nety nataony? Lasa niankohoka tamin’ny andriamanitry ny Edomita izy, rehefa nampian’i Jehovah handresy an’io firenena io.c Nananatra azy avy eo ny mpaminanin’i Jehovah. Mafy loha be anefa io mpanjaka io, dia tsy nety nihaino azy.—2 Tan. 25:14-16.
11. Inona no tsy maintsy ataontsika mba ho voavela ny helotsika? (2 Korintianina 7:9, 11) (Jereo koa ny sary.)
11 Inona no ianarantsika avy amin’ireo ohatra ireo? Mila mibebaka noho ny fahotantsika isika, sady manao izay rehetra azontsika atao mba tsy hamerenana azy ireny intsony. Ahoana raha mahazo torohevitra avy amin’ny anti-panahy isika, na dia amin’ny zavatra hoatran’ny hoe madinika aza? Tsy tokony hieritreritra isika hoe tsy tia antsika i Jehovah na ny anti-panahy. Na ny mpanjaka tsara teo amin’ny Israely aza mantsy nahazo torohevitra sy fananarana. (Heb. 12:6) Rehefa misy manitsy àry isika, dia tokony 1) hanetry tena sy hanaiky an’izany, 2) hanao an’izay fiovana ilaina, ary 3) hanohy hanompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo. Hamela antsika i Jehovah raha mibebaka noho ny fahotantsika isika.—Vakio ny 2 Korintianina 7:9, 11.
Rehefa misy manitsy isika, dia tokony 1) hanetry tena sy hanaiky an’izany, 2) hanao an’izay fiovana ilaina, ary 3) hanohy hanompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo (Fehintsoratra 11)f
NANARAKA NY FIVAVAHANA MARINA
12. Inona no tena nampiavaka an’ireo mpanjaka tsy nivadika?
12 Nanaraka ny fivavahana marina ireo mpanjaka nolazain’i Jehovah hoe tsy nivadika taminy. Nampirisika ny vahoakany hanao hoatr’izany koa ry zareo. Mazava ho azy fa nanao fahadisoana ireny mpanjaka ireny, araka ny hitantsika teo. Nanompo an’i Jehovah irery ihany anefa ry zareo, sady niezaka mafy mihitsy aza mba hamongotra ny fanompoan-tsampy tao amin’ny tany nanjakany.d
13. Nahoana no nolazain’i Jehovah hoe nivadika taminy i Ahaba Mpanjaka?
13 Ary ahoana ny amin’ireo mpanjaka nolazain’i Jehovah hoe nivadika taminy? Azo antoka fa tsy hoe ratsy daholo ny nataon-dry zareo. Na i Ahaba mpanjaka ratsy fanahy aza mba nanetry tena sy nanenina ihany, rehefa naheno hoe noho ny nataony no nahafaty an’i Nabota. (1 Mpanj. 21:27-29) Nanorina tanàna koa izy sady nandresy rehefa niady ho an’ny Israely. (1 Mpanj. 20:21, 29; 22:39) Nalaza ratsy anefa i Ahaba, satria nitarika ny olona hanaraka fivavahan-diso noho ny fampirisihan’ny vadiny. Tsy nibebaka noho izany nataony izany mihitsy izy.—1 Mpanj. 21:25, 26.
14. a) Nahoana no nolazain’i Jehovah fa nivadika taminy i Rehoboama Mpanjaka? b) Inona no nataon’ny ankamaroan’ireo mpanjaka nivadika tamin’i Jehovah?
14 Andao indray isika hiresaka momba an’i Rehoboama, mpanjaka hafa nivadika tamin’i Jehovah. Nahavita zavatra tsara betsaka ihany izy nandritra ny fitondrany, araka ny hitantsika teo. Rehefa mafy orina anefa ny fanjakany, dia nafoiny ny Lalàn’i Jehovah ary naleony nanaraka fivavahan-diso. (2 Tan. 12:1) Indraindray izy nanaraka ny fivavahana marina, dia indraindray nanaraka fivavahan-diso. (1 Mpanj. 14:21-24) Tsy i Rehoboama sy Ahaba ihany no niala tamin’ny fivavahana marina. Ny ankamaroan’ny mpanjaka nivadika tamin’i Jehovah mihitsy no nanohana ny fivavahan-diso, raha ny marina. Hita amin’izany fa zava-dehibe amin’i Jehovah ny fanarahana ny fivavahana marina, mba hamaritana hoe mpanjaka tsara na ratsy ny olona iray.
15. Nahoana no zava-dehibe amin’i Jehovah ny hanarahana ny fivavahana marina?
15 Nahoana no tena zava-dehibe amin’i Jehovah ny fanompoana azy? Satria andraikitry ny mpanjaka ny nitarika ny vahoakan’Andriamanitra hanaraka ny fivavahana marina. Rehefa manaraka fivavahan-diso koa ny olona iray, dia tsy maintsy hanao fahotana lehibe hafa sady hanao ny tsy rariny. (Hosea 4:1, 2) Ankoatra izay, dia efa nanokan-tena ho an’i Jehovah ny mpanjaka sy ny vahoakany. Oharin’ny Baiboly amin’ny hoe manitsakitsa-bady àry ilay hoe manaraka fivavahan-diso. (Jer. 3:8, 9) Rehefa manitsakitsa-bady ny olona iray, dia manota amin’ny vadiny sady mandratra ny fony. Hoatr’izany koa fa rehefa manaraka fivavahan-diso ny mpanompon’i Jehovah efa nanokan-tena ho azy, dia manota amin’Andriamanitra sady mandratra ny fony.e—Deot. 4:23, 24.
16. Amin’i Jehovah, inona tena mampiavaka ny olo-marina amin’ny ratsy fanahy?
16 Inona no ianarantsika avy amin’izany? Tsy maintsy tapa-kevitra ny hanalavitra ny fivavahan-diso isika. Tsy maintsy manaraka ny fivavahana marina koa anefa isika, ary mazoto manao an’izany foana. Nolazain’i Malakia mpaminany mazava tsara ny tsy mampitovy ny olona tsara sy ratsy eo imason’i Jehovah. Izao no nosoratany: “Ho hitanareo indray fa tsy mitovy ny olo-marina sy ny ratsy fanahy, ary ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo azy.” (Mal. 3:18) Tsy tokony hisy na inona na inona avelantsika hahakivy antsika àry, ka hahatonga antsika hiala amin’Andriamanitra, na dia ny tsy fahalavorariantsika sy ny fahadisoantsika aza. Ilay hoe tsy manompo an’i Jehovah intsony dia efa fahotana lehibe!
17. Nahoana no mety hisy vokany amin’ny fanompoantsika an’i Jehovah ny safidintsika amin’ny resaka vady?
17 Mpitovo ve ianao ary mieritreritra ny hanambady? Hitanao ve fa afaka manampy anao hifidy an’izay vady tena mety ny tenin’i Malakia momba ny fanompoana an’Andriamanitra? Mety ho tsara toetra ihany aloha ilay olona eritreretinao e! Fa raha tsy manompo an’ilay tena Andriamanitra izy, dia azo lazaina hoe olo-marina ve izy amin’i Jehovah? (2 Kor. 6:14) Raha manambady azy ianao, dia ho afaka hanampy anao hifandray akaiky kokoa amin’i Jehovah ve izy? Eritrereto izao: Mety ho nanana toetra tsara ihany ny vadin’i Solomona Mpanjaka, na dia mpanompo sampy aza. Tsy mpanompon’i Jehovah anefa ry zareo, ka voatariny tsikelikely hanaraka fivavahan-diso ny fon’i Solomona.—1 Mpanj. 11:1, 4.
18. Inona no tokony hampianarin’ny ray aman-dreny ny zanany?
18 Ry ray aman-dreny, afaka mampiasa ny tantaran’ireo mpanjaka ao amin’ny Baiboly ianareo, mba hanampiana tsikelikely ny zanakareo hazoto hanompo an’i Jehovah. Ampio ry zareo hahazo hoe niankina be tamin’izay nataon’ilay mpanjaka mba hampandrosoana ny fivavahana marina no namaritan’i Jehovah hoe tsara izy na ratsy. Asehoy amin’ny teninao sy ny ataonao koa fa zava-dehibe noho ny zavatra hafa rehetra ny zavatra ara-panahy, anisan’izany ny hoe mianatra Baiboly, mivory, ary manompo. (Mat. 6:33) Raha tsy izany mantsy, dia mety hieritreritra ny zanakao hoe Vavolombelon’i Jehovah izy satria manaraka am-bokony ny “fivavahan’ny fianakaviana” fotsiny. Mety tsy ho lasa tena zava-dehibe aminy àry ny fivavahana marina, na mety tsy hanaraka an’izany intsony mihitsy izy.
19. Inona no mbola azo antenaina ny amin’ireo olona nijanona tsy nanompo an’i Jehovah? (Jereo koa ilay hoe “Afaka Miverina Amin’i Jehovah Ianao!”)
19 Tsy misy antenaina intsony ve ny amin’ny olona iray nijanona tsy nanompo an’i Jehovah? Mbola misy ka! Afaka mibebaka mantsy izy, dia manaraka ny fivavahana marina indray. Mety hila hampandefitra ny hambom-pony anefa izy mba hahavitana an’izany, dia manaiky ny fanampian’ny anti-panahy. (Jak. 5:14) Mendrika hanaovana ny ezaka rehetra ny hoe mahazo sitraka amin’i Jehovah indray!
20. Ahoana no ho fahitan’i Jehovah antsika raha manahaka an’ireo mpanjaka tsy nivadika isika?
20 Inona àry no ianarantsika avy amin’ireo mpanjakan’ny Israely? Hitovy amin’ireo mpanjaka tsy nivadika isika, raha manompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo sady mahafoy tena ho azy foana. Andao hianatra avy amin’ny fahadisoantsika, hibebaka, ary hanao izay fanitsiana ilaina. Enga anie hotadidintsika koa fa zava-dehibe ny manompo an’ilay hany tena Andriamanitra. Raha ianao mihitsy no mifikitra amin’i Jehovah, dia ho olona manao izay tsara eo imasony no ho fahitany anao.
HIRA 45 Izay Saintsainiko ato Am-poko
a Ny hoe “mpanjakan’ny Israely” ato, dia ilazana ny mpanjaka rehetra nitondra ny vahoakan’i Jehovah, na tao amin’ny fanjakan’ireo foko roan’ny Joda izany, na tao amin’ny foko folon’ny Israely, na tamin’ny foko 12.
b FANAZAVANA: Mampiasa matetika ny teny hoe “fo” ny Baiboly, mba hilazana ny maha izy ny olona iray manontolo, anisan’izany ny faniriany, ny eritreriny, ny toetrany, ny toe-tsainy, ny fahaizany, ny antony anaovany zavatra, ary ny tanjony.
c Azo inoana fa fanaon’ny mpanjaka mpanompo sampy ny nivavaka tamin’ireo andriamanitry ny firenena resiny.
d Nanao fahadisoana lehibe i Asa Mpanjaka. (2 Tan. 16:7, 10) Milaza anefa ny Baiboly fa mpanjaka tsara izy. Tsy nanaiky fanitsiana izy tamin’ny voalohany, fa mety hoe nibebaka tatỳ aoriana. Betsaka kokoa ny toetra tsarany raha oharina tamin’ny fahadisoana nataony. Tsara homarihina koa fa nanompo an’i Jehovah irery ihany i Asa, ary niezaka mafy namongotra ny fanompoan-tsampy tao amin’ny fanjakany.—1 Mpanj. 15:11-13; 2 Tan. 14:2-5.
e Izany no mahatonga an’ireo didy roa voalohany ao amin’ny Lalàn’i Mosesy milaza fa voarara ny manompo olona na zavatra hafa ankoatra an’i Jehovah.—Eks. 20:1-6.
f SARY: Anti-panahy tanora milaza hoe manahy izy mahita ny fahazaran’ny rahalahy iray misotro. Manetry tena ilay rahalahy dia manaiky an’ilay torohevitra, manao ny fiovana ilaina, ary manohy manompo an’i Jehovah foana.