LAHATSORATRA FIANARANA 7
HIRA 15 Derao ny Lahimatoan’i Jehovah!
Inona ny Soa Azonao Noho i Jehovah Mamela Heloka?
“Ao aminao ny tena famelan-keloka.”—SAL. 130:4.
HEVITRA HODINIHINA
Mampiasa sarin-teny mazava be ny Baiboly ary manampy antsika tsirairay hankasitraka kokoa ny tena famelan-kelok’i Jehovah izy ireny.
1. Nahoana matetika no sarotra ny mamantatra an’izay ao an-tsain’ny olona rehefa milaza izy hoe “mamela anao aho”?
“MAMELA anao aho.” Maivamaivana erỳ ianao maheno an’izany, indrindra raha fantatrao hoe nankarary ny fon’ilay olona ny zavatra nolazainao na nataonao. Fa inona marina no dikan’ilay hoe “mamela anao aho”? Te hilaza ve ilay olona fa miverina mpinamana indray ianareo? Sa te hiteny fotsiny izy hoe tsy te hiresaka an’ilay olana intsony? Sarotra ny mamantatra an’izay ao an-tsain’ny olona rehefa miteny izy hoe “mamela anao aho.”
2. Ahoana no ilazan’ny Soratra Masina ny famelan-kelok’i Jehovah?
2 Tsy mitovy amin’ny fomba amelantsika ny hafa ny fomba amelan’i Jehovah antsika olombelona tsy lavorary. Miavaka ny fomba ampisehoan’i Jehovah famelan-keloka. Izao no nolazain’ny mpanao salamo momba an’i Jehovah: “Ao aminao ny tena famelan-keloka, mba hanajan’ny olona anao.” (Sal. 130:4) “Tena famelan-keloka” ny an’i Jehovah. Izy ihany no afaka mamaritra hoe ahoana marina izany mamela heloka izany. Rehefa miresaka momba ny famelan-keloka ny mpanoratra Baiboly indraindray dia hafa mihitsy ny teny hebreo ampiasain-dry zareo rehefa i Jehovah ilay mamela heloka fa tsy olombelona.
3. Inona no tsy mampitovy ny famelan-kelok’i Jehovah amin’ny antsika? (Isaia 55:6, 7)
3 Rehefa mamela olona iray i Jehovah dia voafafa tanteraka ny fahotan’iny olona iny. Miverina amin’ny laoniny indray ny fifandraisan-dry zareo. Mahavariana fa mamela tanteraka antsika i Jehovah ary manao an’izany imbetsaka izy.—Vakio ny Isaia 55:6, 7.
4. Inona no nataon’i Jehovah mba ho azontsika tsara ny tena dikan’ny hoe mamela heloka?
4 Raha tsy mitovy amin’ny antsika àry izany ny famelan-kelok’i Jehovah, dia ahoana no ahafahantsika olombelona tsy lavorary mahazo tsara ny dikan’izany? Mampiasa sarin-teny mazava be izy mba hanampiana antsika hahazo ny famelan-keloka asehony. Handinika ny sasany amin’ireny isika ato. Ho hitantsika ato hoe ahoana no ataon’i Jehovah mba hanesorana ny fahotantsika, sy hahatonga antsika ho mpinamana be aminy indray. Rehefa mandinika an’ireny sarin-teny ireny isika, dia vao mainka hankasitraka an’ilay Raintsika tsara fanahy sy mamindra fo. Mamela heloka amin’ny fomba isan-karazany mantsy izy.
MANAISOTRA NY FAHOTANA I JEHOVAH
5. Inona no mitranga rehefa mamela ny fahotantsika i Jehovah?
5 Matetika no oharin’ny Baiboly amin’ny enta-mavesatra ny fahotana. Izao no nolazain’i Davida Mpanjaka momba ny fahotany: “Efa mihoatra ny lohako ny fahadisoako; toy ny enta-mavesatra ireny ka tsy zakako.” (Sal. 38:4) Mamela ny fahotan’ny mpanota mibebaka anefa i Jehovah. (Sal. 25:18; 32:5) Midika hoe “manainga” na “mitondra” ilay teny hebreo nadika hoe “mamela.” Azo oharina amin’ny lehilahy matanjaka be i Jehovah, dia hoatran’ny hoe ingainy miala eo amin’ny sorotsika ilay fahotana manavesatra antsika, dia entiny lavitra antsika.
“Namela” (Sal. 32:5)
6. Hatraiza no itondran’i Jehovah ny fahotantsika?
6 Hatraiza no itondran’i Jehovah ny fahotantsika? Mampiasa an’izao sarin-teny izao ny Salamo 103:12: “Toy ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana, no anesorany ny fahotantsika ho lavitra antsika.” Ny atsinanana no faritra lavitra indrindra amin’ny andrefana, ary tsy hihaona mihitsy ireo. Inona no dikan’izany? Entin’i Jehovah any amin’izay farany lavitra indrindra azontsika eritreretina ny fahotantsika. Manome toky antsika izany hoe mamela heloka tanteraka izy!
“Toy ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana” (Sal. 103:12)
7. Inona no lazain’ny Baiboly hoe ataon’i Jehovah amin’ny fahotantsika? (Mika 7:18, 19)
7 Marina hoe entin’i Jehovah lavitra be antsika ny fahotantsika, fa mbola tazoniny eny foana ve anefa ireny? Tsy izany ka! Izao no nosoratan’i Hezekia Mpanjaka momba an’i Jehovah: “Narianao any an-damosinao daholo ny fahotako”; na araka ny fanamarihana ambany pejy: “Nesorinao mba tsy ho hitanao daholo ny fahotako.” (Isaia 38:9, 17; f.a.p.) Asehon’io sarin-teny io fa alain’i Jehovah ny fahotan’ny olona iray mibebaka dia ariany mba tsy ho hita intsony. Azo adika hoatr’izao koa io andininy io: “Nataonao toy ny tsy nisy [ny fahotako].” Mbola manasongadina an’izany hevitra izany ny Baiboly rehefa nampiasa sarin-teny hafa ao amin’ny Mika 7:18, 19. (Vakio.) Resahiny ao hoe atsipin’i Jehovah any anaty ranomasina lalina ny fahotantsika. Tsy vitan’ny olona intsony, tamin’izany, ny naka zavatra iray natsipy tany anaty ranomasina lalina.
“Narianao any an-damosinao daholo ny fahotako” (Isaia 38:17)
“Hatsipinao any amin’ny ranomasina lalina ny fahotanay rehetra” (Mika 7:19)
8. Inona no nianarantsika hatreto?
8 Hitantsika avy amin’ireo sarin-teny ireo hoe rehefa mamela antsika i Jehovah, dia esoriny ny fahotana manavesatra antsika ka lasa maivamaivana isika. Marina mihitsy ilay noresahin’i Davida hoe: “Sambatra izay voavela ny helony, ary voasarona ny fahotany. Sambatra ny olona izay tsy hisain’i Jehovah mihitsy ny fahotany.” (Rom. 4:7, 8) Izany ka tena famelan-keloka!
MAMAFA NY FAHOTANA I JEHOVAH
9. Inona avy ny sarin-teny ampiasain’i Jehovah mba hanazavana hoe mamela tanteraka ny helotsika izy?
9 Mampiasa sarin-teny hafa i Jehovah mba hanampiana antsika hahazo hoe mamafa ny fahotan’ny mpanota mibebaka izy, noho ny sorom-panavotana. Hoatran’ny hoe manasa sy manadio an’ireny fahotana ireny izy, ka lasa madio ilay olona nanota. (Sal. 51:7; Isaia 4:4; Jer. 33:8) Izao no noresahin’i Jehovah momba an’izany: “Na mena midorehitra aza ny fahotanareo, dia hatao fotsy mangatsakatsaka. Ary na hoatran’ny ravin-damba mena antitra aza, dia ho toy ny volonondry fotsy.” (Isaia 1:18) Tena sarotra be ny manala tasy mena midorehitra na mena antitra amin’ny lamba. Manome toky antsika anefa i Jehovah amin’io sarin-teny io hoe ho voasasa madio tsara ny fahotantsika, ary tsy ho hita intsony mihitsy.
“Na mena midorehitra aza ny fahotanareo, dia hatao fotsy mangatsakatsaka” (Isaia 1:18)
10. Inona koa ny sarin-teny ampiasain’i Jehovah mba hanasongadinana ny haben’ny famelan-keloka asehony?
10 Oharina amin’ny “trosa” koa ny fahotana, araka ilay lahatsoratra teo aloha. (Mat. 6:12, f.a.p.; Lioka 11:4, f.a.p.) Isaky ny manota amin’i Jehovah àry isika dia hoatran’ny hoe mitombo foana ilay trosantsika. Vola be mihitsy no tokony haloantsika aminy! Rehefa mamela antsika anefa i Jehovah, dia hoatran’ny hoe foanany ilay trosa tokony haloantsika. Tsy hoe takiny indray izay trosa efa nofoanany, na izay fahotana efa navelany. Tsara erỳ io fanoharana io! Mahatsiaro ho maivamaivana isika rehefa mamela antsika hoatr’izany i Jehovah!
“Mamelà ny trosanay” (Mat. 6:12, f.a.p.)
11. Inona no tian’ny Baiboly holazaina rehefa milaza hoe voafafa ny fahotantsika? (Asan’ny Apostoly 3:19)
11 Tsy hoe manafoana ny trosantsika na ny fahotantsika fotsiny i Jehovah fa mamafa an’izany koa. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 3:19.) Mety hieritreritra isika hoe rehefa foanana ny trosa dia asiana tsipika eo amin’ilay tarehimarika. Mety mbola ho hita ihany anefa hoe ohatrinona ilay izy na dia efa mitsipika aza. Tsy hoatr’izany kosa ilay hoe mamafa. Mba hahafahantsika mahazo an’io sarin-teny io, dia mila mitadidy isika hoe vita tamin’ny arina sy ditin-kazo nafangaro rano ny ranomainty nampiasaina taloha. Raha fafana amin’ny spaonjy lena ny soratra nosoratana tamin’ilay ranomainty, dia tsy hita intsony. Rehefa ‘fafana’ àry ny trosa iray, dia manjavona tanteraka. Tsy tazana intsony na dia ny soratra aza. Hoatran’ny hoe tsy nisy ilay trosa. Tsy hoe manafoana ny fahotantsika fotsiny àry i Jehovah fa mamafa an’izany tanteraka mihitsy koa. Tsy manohina ny fonao ve izany?—Sal. 51:9.
“Mba ho voafafa ny fahotanareo” (Asa. 3:19)
12. Inona no ianarantsika avy amin’ilay sarin-teny momba ny rahona matevina?
12 Mampiasa sarin-teny hafa koa i Jehovah mba hanasongadinana hoe ahoana no ataony rehefa mamafa ny fahotantsika izy. Izao no nolazainy: “Hokosehiko ny fahadisoanao, toy ny hoe hosaronana rahona, ary hokosehiko ny fahotanao, toy ny hoe hosaronana rahona matevina.” (Isaia 44:22) Rehefa mamela antsika i Jehovah, dia hoatran’ny hoe mampiasa rahona matevina mba hanaronana ny fahadisoantsika, amin’izay ilay izy tsy hita intsony.
“Hokosehiko ny fahadisoanao, toy ny hoe hosaronana rahona” (Isaia 44:22)
13. Inona no tsapantsika rehefa mamela ny fahotantsika i Jehovah?
13 Inona no ianarantsika avy amin’izany? Tsy tokony hieritreritra isika hoe haloto eny foana mandritra ny androm-piainantsika, rehefa avelan’i Jehovah ny fahotantsika. Foana tanteraka ny trosantsika noho ny ran’i Jesosy Kristy. Tsy hita intsony na dia ny soratra milaza an’ilay vola tokony haloa aza. Hoatr’izany no atao hoe tena famelan-keloka avy amin’i Jehovah rehefa mibebaka noho ny fahotantsika isika.
MAMERINA AMIN’NY LAONINY NY FIFANDRAISANTSIKA AMINY I JEHOVAH
Afaka ny hifandray tsara amin’ilay Raintsika any an-danitra isika, noho izy mamela heloka (Fehintsoratra 14)
14. Nahoana isika no afaka matoky ny famelan-kelok’i Jehovah? (Jereo koa ny sary.)
14 Mahatonga antsika hifandray tsara amin’i Jehovah ny tena famelan-keloka avy aminy. Manampy antsika tsy hanamelo-tena be loatra izany. Tsy tokony hatahotra mihitsy isika hoe sao dia manao an-dolompo i Jehovah, dia miandry kendry tohina fotsiny mba hanasaziana antsika. Tsy hitranga mihitsy izany! Nahoana isika no afaka matoky an’i Jehovah rehefa milaza izy hoe mamela antsika? Izao no nolazainy tamin’i Jeremia mpaminany: “Havelako ny fahadisoany, ary tsy hotsaroako intsony ny fahotany.” (Jer. 31:34) Nilaza hevitra mitovy amin’izany koa ny apostoly Paoly. (Heb. 8:12) Fa inona no tena dikan’izany?
“Tsy hotsaroako intsony ny fahotany” (Jer. 31:34)
15. Amin’ny heviny ahoana no hoe tsy hotsaroan’i Jehovah intsony ny fahotantsika?
15 Ilay teny hoe “mahatsiaro”, ao amin’ny Baiboly, dia tsy voatery hidika foana hoe olona iray mahatadidy zavatra iray na mieritreritra momba an’ilay izy. Mety ho tafiditra amin’izany kosa ny hoe manao zavatra izy. Rehefa miteny amintsika àry i Jehovah hoe tsy hotsaroany intsony ny fahotantsika, dia midika izany hoe tsy hanao zavatra hanamelohana antsika izy. Tsy hoe hosaziny isika amin’ny hoavy noho ny fahotana efa navelany.
16. Ahoana no anazavan’ny Baiboly hoe olona afaka isika rehefa mamela antsika i Jehovah?
16 Mampiasa sarin-teny hafa ny Baiboly mba hanampiana antsika hahazo hoe olona afaka isika rehefa mamela antsika i Jehovah. Oharina amin’ny “mpanompon’ny ota” mantsy isika, satria mpanota sy tsy lavorary. Soa ihany anefa fa mamela antsika i Jehovah, dia hoatran’ny mpanompo “nafahana tamin’ny ota” isika. (Rom. 6:17, 18; Apok. 1:5) Faly loatra isika satria nafahana tamin’ny fanandevozan’ny ota, noho i Jehovah namela antsika.
‘Nafahana tamin’ny ota ianareo’ (Rom. 6:18)
17. Nahoana no hoatran’ny hoe sitrana isika rehefa voavela ny helotsika? (Isaia 53:5)
17 Vakio ny Isaia 53:5. Oharina amin’ny olona voan’ny aretina mahafaty isika ao amin’ilay sarin-teny farany hodinihintsika. Azo lazaina hoe nositranina isika, satria nanome ny sorom-panavotana i Jehovah tamin’ny alalan’ny Zanany. (1 Pet. 2:24) Hoatran’ny hoe narary isika rehefa nanota dia simba ny fifandraisantsika tamin’i Jehovah. Afaka ny hihavana tsara aminy indray anefa isika noho ny vidim-panavotana. Tsy omby tratra ny hafalian’ny olona iray narary mafy rehefa sitrana izy. Faly be koa isika rehefa hoatran’ny hoe nositranina sy lasa ankasitrahan’i Jehovah indray, noho izy namela antsika.
“Ny ratrany no nahatonga anay ho sitrana” (Isaia 53:5)
NY VOKATRY NY FAMELAN-KELOK’I JEHOVAH EO AMINTSIKA
18. Inona no ianarantsika momba ny famelan-kelok’i Jehovah, rehefa avy nandinika an’ireo sarin-teny ao amin’ny Baiboly momba an’izany isika? (Jereo koa ilay hoe “Ny Fomba Amelan’i Jehovah Antsika.”)
18 Inona no nianarantsika momba ny famelan-kelok’i Jehovah, rehefa avy nandinika an’ireo sarin-teny ao amin’ny Baiboly ireo isika? Hoe rehefa mamela antsika izy, dia mamela tanteraka ary afaka matoky isika hoe tsy hanasazy antsika intsony izy amin’ny hoavy. Ho afaka hifandray tsara amin’ilay Raintsika any an-danitra isika amin’izay. Mila mitadidy koa isika hoe fanomezana ny tena famelan-keloka. Mampiseho an’izany amin’ny olombelona mpanota i Jehovah, satria tia azy ireo sady maneho hatsaram-panahy miavaka aminy. Tsy hoe zontsika olombelona izany dia takintsika aminy.—Rom. 3:24.
19. a) Inona no tokony hahavelom-pankasitrahana antsika? (Romanina 4:8) b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
19 Vakio ny Romanina 4:8. Tokony ho velom-pankasitrahana an’i Jehovah isika tsirairay noho izy Andriamanitry ny “tena famelan-keloka”! (Sal. 130:4) Misy zava-dehibe tsy maintsy ataontsika anefa vao ho voavela ny helotsika. Izao no nohazavain’i Jesosy: ‘Raha tsy mamela ny heloky ny olona ianareo, dia tsy hamela ny helokareo koa ny Rainareo.’ (Mat. 6:14, 15) Mazava àry fa tena ilaina ny hoe mamela heloka hoatran’i Jehovah. Ahoana anefa no anaovantsika an’izany? Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny valiny.
HIRA 46 Misaotra, Jehovah