LAHATSORATRA FIANARANA 12
HIRA 119 Tena Ilaina ny Finoana
Mandehana Amin’ny Finoana Foana
“Finoana no andehanantsika, fa tsy ny hitan’ny maso.”—2 KOR. 5:7.
HEVITRA HODINIHINA
Ahoana no ampisehoantsika hoe mandeha amin’ny finoana foana isika rehefa mandray fanapahan-kevitra lehibe?
1. Nahoana ny apostoly Paoly no afa-po be rehefa nanao jery todika ny fiainany?
FANTATRY ny apostoly Paoly hoe kely sisa izy dia hovonoina. Afa-po be izy rehefa nanao jery todika ny fiainany. Hoy izy: “Efa nahavita an’ilay hazakazaka hatramin’ny farany aho, nanaraka ny finoana foana aho.” (2 Tim. 4:6-8) Nahay nanapa-kevitra i Paoly teo amin’ny fanompoany, ary azony antoka hoe faly taminy i Jehovah. Te hahay hanapa-kevitra koa isika, ary te hankasitrahan’Andriamanitra. Ahoana no hanaovantsika an’izany?
2. Inona no dikan’ny hoe mandeha amin’ny finoana?
2 Niresaka momba ny tenany sy ny Kristianina hafa tsy nivadika i Paoly rehefa niteny hoe: “Finoana no andehanantsika, fa tsy ny hitan’ny maso.” (2 Kor. 5:7) Inona no tian’i Paoly hotenenina? Ny fomba itondran’ny olona iray ny fiainany indraindray no tian’ny Baiboly holazaina amin’ny hoe “mandeha.” Mandeha amin’ny hitan’ny maso ny olona iray raha miankina amin’izay zavatra hitany sy henony ary tsapany fotsiny ny fanapahan-kevitra raisiny. Mandeha amin’ny finoana kosa izy raha matoky an’i Jehovah Andriamanitra rehefa hanapa-kevitra. Resy lahatra izy hoe hamaly soa azy Andriamanitra sady handray soa izy rehefa manaraka ny torohevitr’i Jehovah ao amin’ny Teniny, ary asehony amin’ny ataony izany.—Sal. 119:66; Heb. 11:6.
3. Inona avy ny soa azo rehefa mandeha amin’ny finoana? (2 Korintianina 4:18)
3 Mazava ho azy fa miankina amin’izay hitantsika sy henontsika ary tsapantsika ny fanapahan-kevitra sasany raisintsika. Azo inoana anefa hoe hahita olana isika raha ireo fotsiny no mibaiko antsika rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe isika. Nahoana? Satria mety hamitaka ireo indraindray. Ary na tsy mamitaka aza ireo, dia mety tsy hiraharaha ny sitrapon’Andriamanitra sy ny toroheviny isika raha mandeha amin’ny hitan’ny maso fotsiny. (Mpito. 11:9; Mat. 24:37-39) Raha mandeha amin’ny finoana anefa isika, dia azo inoana kokoa hoe “ankasitrahan’ny Tompo” ny fanapahan-kevitra horaisintsika. (Efes. 5:10) Hilamin-tsaina isika sady tena ho faly raha manaraka ny torohevitr’Andriamanitra. (Sal. 16:8, 9; Isaia 48:17, 18) Hiaina mandrakizay koa isika raha mandeha amin’ny finoana foana.—Vakio ny 2 Korintianina 4:18.
4. Ahoana no hahalalanao hoe mandeha amin’ny finoana ianao sa amin’ny hitan’ny maso?
4 Ahoana no hahalalanao hoe mandeha amin’ny finoana ianao sa amin’ny hitan’ny maso? Eritrereto hoe inona no mibaiko anao rehefa hanapa-kevitra ianao: Izay hitanao fotsiny ve, sa ianao matoky an’i Jehovah sy ny toroheviny? Andao hojerentsika ireto zavatra lehibe telo ireto mba hahitana hoe ahoana no handehanana amin’ny finoana foana: Rehefa mifidy asa, rehefa mifidy vady, ary rehefa mahazo toromarika avy amin’ny fandaminana. Hojerentsika hoe inona avy no tokony hoeritreretintsika mba hahaizana manapa-kevitra amin’ireo toe-javatra ireo.
REHEFA MIFIDY ASA
5. Inona no tokony hoeritreretintsika rehefa mifidy asa?
5 Samy te hahavita hamelon-tena sy hikarakara ny fianakaviantsika daholo isika. (Mpito. 7:12; 1 Tim. 5:8) Tsara karama ny asa sasany. Sady mahasahana ny fandaniantsika isan’andro ilay izy no ahafahana manao tahiry. Voafetra kosa ny karama ho an’ny asa hafa, ka izay tena ilain’ny fianakaviantsika ihany no vitany. Mazava ho azy hoe mieritreritra ny karama ho azontsika isika rehefa hanapa-kevitra hoe hanaiky hanao asa iray sa tsia. Raha miankina amin’izay fotsiny anefa ny fanapahan-kevitry ny olona iray dia mandeha amin’ny hitan’ny maso izy.
6. Ahoana no hampisehoantsika hoe mandeha amin’ny finoana isika rehefa mifidy asa? (Hebreo 13:5)
6 Raha mandeha amin’ny finoana isika, dia hieritreritra koa hoe inona no vokatr’ilay asa amin’ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. Saintsaino hoe: ‘Zavatra halan’i Jehovah ve no asaina ataoko amin’ilay asa?’ (Ohab. 6:16-19) ‘Hanelingelina ny fanompoako ve ilay izy na hahatonga ahy handeha matetika, ka ho lavitra ny fianakaviako mandritra ny fotoana ela be?’ (Fil. 1:10) Raha misy “eny” ny valin’ireo fanontaniana ireo, dia aleo tsy miditra amin’ilay izy na dia sarotra aza ny mitady asa. Mandeha amin’ny finoana isika, dia asehontsika amin’ny fanapahan-kevitra raisintsika hoe matoky isika fa hahita fomba hikarakarana antsika foana i Jehovah.—Mat. 6:33; vakio ny Hebreo 13:5.
7-8. Ahoana no nampisehoan’ny rahalahy iray tany Amerika Atsimo hoe mandeha amin’ny finoana izy? (Jereo koa ny sary.)
7 Hitan’i Javier,a rahalahy any Amerika Atsimo, hoe nila nandeha tamin’ny finoana izy. Hoy izy: “Nisy asa tiako be izay tao am-piasanay dia te hanao an’ilay izy aho. Indroan’ny karamako teo aloha ny karama.” Tena te ho mpisava lalana koa anefa i Javier. Hoy ihany izy: “Nasaina nihaona tamin’ilay tale aho. Nivavaka aho talohan’ny nihaonana taminy, dia natoky hoe i Jehovah no mahalala an’izay mety indrindra amiko. Te hanana asa tsara aho, nefa tsy tiako ilay izy raha hanakana ahy tsy hahatratra ny tanjoko ara-panahy.”
8 Izao no tantarain’i Javier: “Rehefa niresaka tamin’ilay tale aho, dia nilaza tamiko izy hoe tsy maintsy hiasa ivelan’ny ora fiasana foana aho. Tsara fanahy aho niteny taminy hoe tsy afaka manao an’izany noho ny fanompoako.” Nolavin’i Javier àry ilay asa. Nanomboka nanao mpisava lalana izy, tapa-bolana tatỳ aoriana. Nahita asa tapa-potoana izy, volana vitsivitsy taorian’izay. Hoy izy: “Nohenoin’i Jehovah ny vavaka nataoko, dia nomeny asa mety tsara amin’ilay izaho mpisava lalana aho. Faly be aho satria ahafahako manokana fotoana misimisy kokoa hanompoana an’i Jehovah sy hanampiana ny mpiara-manompo ilay asako.”
Raha mahazo fisondrotana ianao any am-piasana, dia ho hita amin’ny fanapahan-kevitrao ve hoe matoky ianao fa i Jehovah no mahalala an’izay mety indrindra aminao? (Fehintsoratra 7-8)
9. Inona no ianaranao avy amin’ny tantaran’i Trésor?
9 Ahoana raha hitantsika hoe tsy mamela antsika handeha amin’ny finoana ilay asantsika amin’izao? Eritrereto ny zavatra niainan’i Trésor, any Congo. Izao no tantarain’io rahalahy io: “Tsara be mihitsy ilay asako. Tsy hahita hoatran’iny intsony aho. Avo telo henin’ny karamako teo aloha ny karama. Nohajain’ny olona koa aho.” Tapatapaka be mihitsy anefa ny fivoriany satria niasa ivelan’ny ora fiasana foana izy. Noterena hanafina ny zavatra tsy ara-dalàna nataon’ny tao am-piasana koa izy. Te hiala izy nefa natahotra sao dia tsy hahita asa. Inona no nanampy azy? Izao no lazainy: “Takatro avy tamin’ny Habakoka 3:17-19 hoe na tsy an’asa aza aho dia hahita hevitra hikarakarana ahy foana i Jehovah. Nialako àry ilay asako.” Izao no famaranan-teniny: “Betsaka ny mpampiasa mieritreritra hoe vonona hamoy ny zava-drehetra ianao, anisan’izany ny fotoana ho an’ny fianakavianao sy ny fivavahanao, rehefa te hanana asa tsara karama. Faly anefa aho hoe nahavita niaro ny fifandraisako tamin’i Jehovah. Nanampy ahy hahita asa tsotsotra i Jehovah, herintaona tatỳ aoriana, dia lasa manam-potoana kokoa hanaovana zavatra mifandray amin’ny fanompoana aho. Rehefa ataonao loha laharana i Jehovah, dia mety ho sahirana ara-bola kely aloha ianao. Hikarakara anao foana anefa izy.” Raha matoky ny fampanantenan’i Jehovah isika sady matoky hoe hahasoa antsika ny toroheviny, dia handeha amin’ny finoana foana isika ary hitahy antsika izy.
REHEFA MIFIDY VADY
10. Inona no mety hahatonga antsika handeha amin’izay hitan’ny maso rehefa mifidy vady?
10 Ara-dalàna isika raha te hanambady satria fanomezana avy amin’i Jehovah ny fanambadiana. Rehefa mieritreritra an’izay olona mety ho vadiny ny anabavy iray, dia mety hijery ny toetran’ilay rahalahy, ny bikany, ny lazany, ny karamany, ny andraikiny ara-pianakaviana, ary ny hoe mampifalifaly azy ve ilay rahalahy.b Zava-dehibe daholo ireo. Mandeha amin’ny hitan’ny maso anefa ilay anabavy raha ireo fotsiny no eritreretiny.
11. Ahoana no hampisehoantsika hoe mandeha amin’ny finoana isika rehefa mifidy vady? (1 Korintianina 7:39)
11 Mirehareha be izao i Jehovah mahita rahalahy sy anabavy manaraka ny toroheviny rehefa hifidy vady. Arahin-dry zareo, ohatra, ilay torohevitra hoe rehefa tsy ao anatin’ilay “fotoana fivelaran’ny fahatanorana” intsony vao mampiaraka. (1 Kor. 7:36) Ny toetra lazain’i Jehovah hoe ananan’ny vady tsara no tena jereny rehefa mandinika olona mety ho vadiny izy. (Ohab. 31:10-13, 26-28; Efes. 5:33; 1 Tim. 5:8) Raha misy olona tsy Vavolombelona taratara aminy dia mankatò an’ilay torohevitra ao amin’ny 1 Korintianina 7:39 ry zareo. (Vakio.) Voalaza ao hoe tokony ho “ao amin’ny Tompo ihany” ry zareo no hanambady. Mandeha amin’ny finoana foana ry zareo ka matoky hoe tsy misy olon-kafa ankoatra an’i Jehovah afaka mikarakara kokoa an’izay ilainy ara-pihetseham-po.—Sal. 55:22.
12. Inona no ianaranao avy amin’ny tantaran’i Rosa?
12 Eritrereto ny tantaran’i Rosa, mpisava lalana any Kolombia. Nihaona matetika tamin’ny lehilahy tsy Vavolombelona iray izy noho ny asany. Tara taminy ilay lehilahy, ary tian’i Rosa koa izy. Hoy i Rosa: “Hoatran’ny nahafinaritra be izy. Nanao asa soa izy, dia milamina tsara ny fiainany. Tiako ny fomba itondrany ahy. Ananany daholo ny toetra notadiaviko ao amin’ny olona tiako ho vadiko, fa izany hoe tsy Vavolombelona izy.” Hoy ihany i Rosa: “Sarotra be ilay handa tsy hiaraka aminy. Nanirery be mantsy aho tamin’izany dia te hanambady, nefa mbola tsy nahita ranadahy mety tamiko.” Tsy nifantoka tamin’izay hitany fotsiny anefa i Rosa. Nosaintsaininy hoe inona no vokatry ny fanapahan-kevitra horaisiny eo amin’ny fifandraisany amin’i Jehovah. Notapahiny àry ny fifandraisany tamin’ilay lehilahy, dia niezaka ho be atao tamin’ny fanompoana izy. Voasa hanatrika ny Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana izy, tsy ela taorian’izay, ary mpisava lalana manokana izy izao. Hoy i Rosa: “Nofenoin’i Jehovah fifaliana ny foko.” Marina hoe sarotra ny mandeha amin’ny finoana rehefa misy zavatra mamin’ny fonao, nefa tsy hanenenanao mihitsy izany.
REHEFA MAHAZO TOROMARIKA AVY AMIN’NY FANDAMINANA
13. Inona no mety hahatonga antsika handeha amin’izay hitan’ny maso rehefa mahazo toromarika avy amin’ny fandaminana?
13 Matetika isika no mahazo toromarika avy amin’ny fandaminana, mahakasika ny fanompoantsika. Mety ho avy amin’ny anti-panahy ilay izy, na ny mpiandraikitra ny faritra, na ny biraon’ny sampana, na ny Filan-kevi-pitantanana. Ahoana anefa raha tsy azontsika indraindray ny antony nanomezana an’ilay toromarika? Mety hoe ilay vokany tsy dia mahafinaritra eo amintsika ihany no hitantsika. Mety hanomboka hifantoka amin’ny tsy fahalavorarian’ny rahalahy nanome an’ilay toromarika mihitsy aza isika.
14. Inona no hanampy antsika handeha amin’ny finoana rehefa mahazo toromarika avy amin’ny fandaminana? (Hebreo 13:17)
14 Raha mandeha amin’ny finoana isika dia hatoky hoe i Jehovah no mitarika ny fandaminana ary fantany ny zava-misy rehetra. Tonga dia mankatò amin’ny fo àry isika. (Vakio ny Hebreo 13:17.) Fantatsika hoe hiray saina ny fiangonana raha mankatò isika. (Efes. 4:2, 3) Matoky isika hoe na tsy lavorary aza ireo rahalahy mitarika dia hotahin’i Jehovah isika raha mankatò. (1 Sam. 15:22) Tsy maintsy hahitsin’i Jehovah izay zavatra tena mila ahitsy amin’ny fotoana mety.—Mika 7:7.
15-16. Inona no nanampy ny rahalahy iray handeha amin’ny finoana na dia nisalasala aza izy rehefa nahazo toromarika? (Jereo koa ny sary.)
15 Asongadin’ity tantara ity hoe mahasoa ny mandeha amin’ny finoana. Na be dia be aza no miteny espaniola any Peroa dia betsaka koa no mampiasa fiteny eo an-toerana, anisan’izany ny teny quechua. Efa ela ny rahalahy sy anabavy miteny quechua no nitady olona mampiasa an’io fiteny io. Novana anefa ny fomba itadiavana olona mba hifanaraka amin’izay takin’ny fanjakana. (Rom. 13:1) Nisalasala àry ny sasany tamin’ny mpitory hoe tena hety ve ilay izy. Narahin-dry zareo anefa ilay fanovana, dia notahin’i Jehovah ry zareo ka nahita olona betsaka miteny quechua.
16 Anisan’ireo nisalasala i Kevin, anti-panahy ao amin’ny fiangonana miteny quechua. Izao no nohazavainy: “Nieritreritra aho hoe dia ahoana indray izany no hahitana olona miteny quechua!” Ahoana no nataon’i Kevin? Hoy izy: “Tsaroako ny Ohabolana 3:5. Nieritreritra an’i Mosesy aho. Rehefa nasaina nitarika ny Israelita niala tany Ejipta izy, dia tonga teo amin’ny toerana hoatran’ny hoe tsy nisy nandosirana intsony, nefa ry zareo nenjehin’ny Ejipsianina. Nankatò ihany anefa izy dia notahin’i Jehovah. Nanao fahagagana mihitsy i Jehovah tamin’izay.” (Eks. 14:1, 2, 9-11, 21, 22) Vonona hanaraka an’ilay fanovana i Kevin. Inona no vokany? Hoy izy: “Nahagaga ahy ny fomba nitahian’i Jehovah anay. Taloha izahay mandeha an-tongotra ela be vao mahita olona iray na roa miteny quechua. Izao anefa izahay mifantoka amin’ny faritany be olona miteny quechua. Betsaka kokoa ny olona azonay itoriana sy iverenana mitsidika ary ampianarinay Baiboly. Nihabetsaka koa ny olona tonga mivory.” Rehefa mandeha amin’ny finoana tokoa isika dia mamaly soa antsika foana i Jehovah.
Betsaka ny olona nanoro an’ireo rahalahy sy anabavy hoe aiza no hahitan-dry zareo olona mampiasa an’ilay fiteny (Fehintsoratra 15-16)
17. Inona no nianaranao tato?
17 Hitantsika tato hoe ahoana no handehanana amin’ny finoana foana, amin’ny lafiny telo lehibe amin’ny fiainantsika. Amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika mihitsy anefa isika no tokony hanao an’izany, ohatra hoe rehefa hifidy fialam-boly, na hanapa-kevitra momba ny fianarana hatao, na momba ny fitaizana. Na inona na inona fanapahan-kevitra tsy maintsy raisintsika dia tsy tokony hoe izay hitantsika ihany no mibaiko antsika. Mila eritreretina koa ny fifandraisantsika amin’i Jehovah, ny toroheviny, ary ny fampanantenany hoe hikarakara antsika izy. Raha manao an’izany isika, dia ho vitantsika ny “handeha amin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitsika, mandrakizay mandrakizay.”—Mika 4:5.
HIRA 156 Satria Mino Aho
a Novana ny anarana sasany.
b Anabavy mitady vady no resahina eto amin’ity fehintsoratra ity. Mihatra amin’ny rahalahy mitady vady koa anefa ny torohevitra eo.