Fanamarihana Ambany Pejy
a Niaraka nandritra ny taona vitsivitsy i Jesosy sy ny apostoliny. Niara-niasa sy nifampiresaka ry zareo tao anatin’izany, ka lasa mpinamana be. Tian’i Jesosy ho namany koa isika. Tsy mora hoatran’ny tamin’izany andro izany anefa ny hoe ho lasa naman’i Jesosy amin’izao. Misy olana mety hisakana an’izany mantsy. Horesahintsika ato ny sasany amin’izany olana izany. Hahita soso-kevitra koa isika ato mba hanampiana antsika hinamana be amin’i Jesosy sy hinamana aminy foana.