Fanamarihana Ambany Pejy
a Tsy voatery ho ratsy ny mitadidy ny lasa. Mila mitandrina anefa isika sao mifantoka be loatra amin’izany, dia lasa tsy manome ny tsara indrindra ho an’i Jehovah na manadino ny zavatra tsara be ampanantenainy antsika. Hiresaka zavatra telo mety hahatonga antsika hifantoka amin’ny lasa isika ato. Handinika toro lalan’ny Baiboly koa isika, ary hijery hoe inona no nanampy ny mpiara-manompo sasany mba tsy hifantoka amin’ny lasa.