Fanamarihana Ambany Pejy
a I Jesosy no Mpampianatra nahay indrindra teto an-tany. Tsy nanaiky azy anefa ny ankamaroan’ny olona tamin’ny androny fa tafintohina. Fa maninona? Handinika antony efatra isika ato. Hojerentsika avy eo hoe fa maninona no be dia be ny olona tafintohina amin’ny zavatra lazain’ny mpanara-dia an’i Jesosy sy izay ataon’izy ireo. Hianarantsika koa hoe fa maninona isika no afaka mino an’i Jesosy ka tsy ho tafintohina. Tena hanampy an’izay efa miaraka amintsika nefa mbola misalasala ny ho lasa Vavolombelon’i Jehovah ity lahatsoratra ity sy ilay manaraka.