Fanamarihana Ambany Pejy
a Raha te ho sambatra ny fianakaviana, dia tsy maintsy mahafantatra ny tokony hataony ny tsirairay. Tsy maintsy mifanampy koa ry zareo. Ny lehilahy no loham-pianakaviana, ary tokony ho be fitiavana izy rehefa mitondra ny ankohonany. Mila manohana azy ny vadiny. Ny ankizy indray tokony hankatò ny ray aman-dreniny. Hoatr’izany koa ny fianakavian’i Jehovah. Tsy maintsy mahafantatra an’izay tian’i Jehovah hataontsika koa isika. Raha manao zavatra mifanaraka amin’izany isika, dia ho anisan’ny fianakaviany mandrakizay.