Fanamarihana Ambany Pejy
a Faly isika rehefa mandray tsara ny olona itoriantsika sady mandroso, fa diso fanantenana kosa rehefa tsy hoatr’izany. Ahoana, ohatra, raha tsy mampihatra an’izay ianarany ny olona ampianarinao? Na ahoana raha mbola tsy nisy mpianatrao nandroso mihitsy ka natao batisa? Midika ve izany hoe tsy manao tsara ny fanompoanao ianao? Ho hitantsika ato hoe nahoana isika no afaka ny hahomby amin’ny fanompoana sy ho faly foana, na inona na inona vokatry ny ezaka ataontsika.