Fanamarihana Ambany Pejy
a Tena tia an’i Jehovah isika ary te hampifaly azy. Masina izy ary tiany ho hoatr’izany koa ny mpanompony. Afaka ny ho masina ve anefa isika na dia tsy lavorary aza? Izany mihitsy! Afaka ny ho masina amin’ny fitondran-tena rehetra isika. Ahoana no hahavitana an’izany? Hanampy antsika ny torohevitra nomen’ny apostoly Petera ho an’ny mpiray finoana taminy sy ny toromarika nomen’i Jehovah ny Israelita.