Fanamarihana Ambany Pejy
a Fihetseham-po ara-dalàna ny tahotra, ary afaka miaro antsika amin’ny loza. Indraindray anefa tsy tsara ny matahotra, satria mety hisy vokany ratsy amintsika izany. Fa maninona? Hohararaotin’i Satana mantsy izany mba hahatonga antsika handray fanapahan-kevitra ratsy. Tsy maintsy miezaka mafy àry isika mba tsy ho resin’ny tahotra. Inona no hanampy antsika? Ho hitantsika ato fa hahavita handresy an’izany isika, raha resy lahatra hoe manohana antsika i Jehovah sady tia antsika.