Fanamarihana Ambany Pejy
a Lehilahy sy vehivavy ary ankizy an-tapitrisany izao no mazoto mitory ny vaovao tsara. Anisan’izy ireo ve ianao? Raha izany, dia mpiandraikitra anao koa i Jesosy Kristy Tompontsika. Hodinihintsika ato hoe inona ny porofo fa mitarika ny asa fitoriana i Jesosy amin’izao. Raha misaintsaina an’izany mantsy isika, dia ho tapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah foana, eo ambany fitarihan’i Kristy.