Fanamarihana Ambany Pejy
a Vao haingana ve ianao no tao amin’ny fahamarinana, sa efa an-taonany maro? Na ahoana na ahoana, dia afaka miezaka ny handroso foana isika rehetra. Hiresaka fomba iray tena lehibe anaovana an’izany ity lahatsoratra ity. Ampirisihina mantsy isika ato mba hampitombo ny fitiavantsika an’i Jehovah sy ny olon-kafa. Rehefa misaintsaina ny hevitra resahina ato ianao, dia eritrereto hoe inona ny fandrosoana efa vitanao sy izay mbola azonao atao.