Fanamarihana Ambany Pejy
a Miatrika olana ny tanora manompo an’i Jehovah amin’izao, ka tsy maintsy mampiseho hoe be herim-po sy tsy mivadika amin’i Jehovah. Mety haneso an-dry zareo ny mpiara-mianatra aminy, satria ry zareo mino ny Mpamorona. Mety hambanimbanin’ny namany koa izy, satria manompo an’Andriamanitra sy manaraka ny fitsipiny. Ho hitantsika ato anefa hoe tena hendry izay be herim-po sy tsy mivadika amin’i Jehovah, hoatran’i Daniela mpaminany.