Fanamarihana Ambany Pejy
b Tsy resahin’ny Baiboly amin’ny an-tsipiriany hoe inona avy ny fanao madio sy maloto rehefa manao firaisana ny mpivady. Anjaran’ny mpivady kristianina ny manapa-kevitra ny amin’izany, ary tokony ho hita hoe tapa-kevitra ny hanome voninahitra an’i Jehovah ry zareo, hampifaly ny andaniny sy ny ankilany, ary hanana feon’ny fieritreretana madio foana. Amin’ny ankapobeny, dia tsy horesahin’ny mpivady amin’ny olon-kafa ny resaka hoatr’izany satria fiainan-dry zareo manokana.