FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Ity Herinandro Ity
11-17 Aogositra
Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana—2025 | Jolay

11-17 AOGOSITRA

OHABOLANA 26

Hira 88 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. Aza Mifanerasera Amin’ny “Adala”

(10 min.)

Tsy mendrika ny homena voninahitra ny “adala” (Oh 26:1; it “Orana” § 9)

Mila famaizana be matetika ny olona “tsisy saina” (Oh 26:3; w88 1/1 19 § 12)

Tsy azo ianteherana ny “tsisy saina” (Oh 26:6; it “Malemy Tongotra” § 10)


FAMARITANA: Ilazana olona tsy manaiky toroana hevitra sy manao zavatra mifanohitra amin’ny fitsipika marin’Andriamanitra ny teny hoe “adala” na “tsisy saina”, ao amin’ny Baiboly.

Rahalahy tanora any am-pianarana, lasa mandeha fa tsy miaraka amin’ny mpiara-mianatra aminy mijery zavatra ao amin’ny telefaonina.

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Oh 26:4​—Nahoana isika no afaka milaza fa tsy mifanohitra ireo ohabolana roa ireo? (w23.09 39:18)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Teny

(4 min.) fg 5:3-4 (th 5)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(3 min.) ISAN-TRANO. Mampiasà taratasy mivalona mba hanombohana resadresaka. (lmd 1:5)

5. Rehefa Miverina Mitsidika

(4 min.) ISAN-TRANO. Ilay taratasy mivalona napetrakao tamin’ianao nitory anohizana ny resaka. (lmd 7:4)

6. Rehefa Mampianatra

(5 min.) Atoroy an’ilay mpianatrao hoe ahoana no atao mba hitoriana amin’ny havana. (lmd 11:5)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 94

7. Ho Hendry sy ho Voavonjy Ianao Rehefa Mianatra Samirery

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Sary: 1) Anabavy mianatra samirery ao an-tranony. Misy video amin’ny tenin’ny tanana, avy ao amin’ny jw.org, mandeha eo amin’ny ordinaterany. 2) Rahalahy iray any am-piasana, mianatra samirery mandritra ny fiatoana. Mampiasa telefaonina sy “écouteurs” izy. 3) Anabavy be taona mampiasa “JW Library” ao amin’ny tablette-ny. 4) Vehivavy iray sy ny zanany lahikely, mampiasa “JW Library” ao amin’ny tablette-ny mandritra ny fivoriana.

Nampahatsiahy an’i Timoty ny apostoly Paoly hoe tena zava-dehibe ny Soratra Masina nianarany hatramin’izy mbola kely. Nanampy azy ho hendry ireny sady ‘nahatonga azy ho voavonjy.’ (2Ti 3:15) Tokony hanokana fotoana hamakiana sy hianarana ny Baiboly àry isika tsirairay, satria tena zava-dehibe ny fahamarinana voalaza ao. Ahoana anefa raha tsy tia mianatra isika?

Vakio ny 1 Petera 2:2, ary iaraho midinika ireto:

  • Mety ho lasa tia mianatra Baiboly ve isika raha miezaka?

  • Inona no azo atao mba hahatonga antsika ‘haniry mafy’ hianatra ny Tenin’Andriamanitra?​—w18.03 29 § 6

  • Nahoana ny programa noforonin’ny fandaminana, ohatra hoe ny JW Library®, no manampy antsika handray soa kokoa rehefa mianatra Baiboly?

Alefaso ilay VIDEO hoe Zava-bitan’ny Fandaminana: Fomba Ampiasana ny JW Library. Iaraho midinika ireto avy eo:

  • Inona ny soa azonao avy amin’ny JW Library?

  • Inona ao amin’ny JW Library no mahafinaritra anao ny mampiasa azy?

  • Inona no tianao hianarana sy hampiasaina avy eo?

8. Fianarana Baiboly

(30 min.) lff 3:6

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 96 sy Vavaka

Loha Hevitra ato Anatiny
Ny Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2025 | Mey

Lahatsoratra Fianarana 23: 11-17 Aogositra 2025

Ahoana no Tokony ho Fiheverantsika ny Anaran’i Jehovah?

Azo Vakina Koa

Lahatsoratra hafa ato amin’ity gazety ity

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara