FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbq 78
  • Tena Misy ve Andriamanitra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tena Misy ve Andriamanitra?
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Lohatenikely
  • Valiny ara-baiboly
Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
ijwbq 78
Tara-masoandro mamakivaky andian-drahona

Tena Misy ve Andriamanitra?

Valiny ara-baiboly

Misy porofo tsy azo lavina ao amin’ny Baiboly mampiseho hoe tena misy Andriamanitra. Mampirisika antsika izy io mba hino an’Andriamanitra. Tiany hampiasa tsara ny saintsika anefa isika, fa tsy hino befahatany izay lazain’ny fivavahana. (Romanina 12:1; 2 Petera 3:1) Diniho ireto:

  • Tsy maintsy misy ny Mpamorona matoa milamina tsara izao rehetra izao sady misy zavamananaina. Hoy ny Baiboly: “Mazava ho azy fa nisy nanao ny trano rehetra, fa ilay nanao ny zava-drehetra kosa dia Andriamanitra.” (Hebreo 3:4) Tsotra ireo teny ireo, nefa hitan’ny manam-pahaizana hoe tena mampiaiky.a

  • Efa voajanahary amintsika ny hoe mila zavatra ara-panahy. Izany no tadiavintsika ankoatra ny zavatra ilain’ny vatantsika. Manao an’izany, ohatra, isika rehefa te hahalala ny antony namoronana antsika, sy rehefa “mahatsapa fa mila an’Andriamanitra”, ka te hahalala azy sy te hivavaka aminy. (Matio 5:3; Apokalypsy 4:11) Noho isika mila zavatra ara-panahy no manaporofo fa misy Andriamanitra. Hita amin’izany koa fa Mpamorona be fitiavana izy, ka maniry hanome fahafaham-po ny zavatra ilaintsika.—Matio 4:4.

  • Misy faminaniana amin’ny an-tsipiriany be dia be ao amin’ny Baiboly, ary nosoratana taonjato maro mialoha izy ireny nefa tanteraka daholo. Tsy maintsy ho avy amin’Andriamanitra ireny faminaniana ireny matoa tanteraka amin’ny an-tsipiriany.—2 Petera 1:21.

  • Ny tany jerena avy eny amin’ny habakabaka

    Nahalala zavatra tsy fantatry ny olona tamin’ny androny koa ny mpanoratra Baiboly. Maro, ohatra, tamin’izany no nino fa mipetraka eo ambonina elefanta na lambo na omby ny tany. Milaza anefa ny Baiboly fa ahanton’Andriamanitra “eo amin’ny tsy misy ny tany.” (Joba 26:7) Asehon’ny Baiboly tsara koa fa “boribory” ny tany. (Isaia 40:22) Maro no mino fa tsy maintsy ho avy amin’Andriamanitra no nahafantaran’ny mpanoratra Baiboly an’izany fanazavana niavaka izany.

  • Maro ny fanontaniana manitikitika ny sain’ny olona, ary mety tsy hino an’Andriamanitra intsony izy rehefa tsy mahazo valiny mahafa-po. Mamaly an’ireny fanontaniana sarotra ireny anefa ny Baiboly. Anisan’izany ny hoe: Raha be fitiavana sy mahery indrindra Andriamanitra, nahoana no misy ny fijaliana sy ny faharatsiana? Nahoana matetika ny fivavahana no mahatonga ny olona hanao ratsy, fa tsy hanao ny tsara?—Titosy 1:16.

a Hoy, ohatra, ny astronoma iray atao hoe Allan Sandage: “Sarotra amiko ny hino fa tongatonga ho azy ny firindrana [eo amin’izao rehetra izao]. Tsy maintsy nisy nandamina izy io. Mistery amiko Andriamanitra, nefa mino aho fa izy no nanao ny fahagagana, izay nampisy ny zava-drehetra.”

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara