HIRA 104
Fanomezan’Andriamanitra ny Fanahy Masina
Endrika Sary
1. Jehovah Ray ô, ny fahadisoanay
Toa mitambesatra ao an-tsainay.
Mba aza hadino, ampio mba hino
Hoe ianao dia lehibe noho ny fonay.
2. ’Zahay ’nie, Jehovah, malemy ihany,
Manao ’zay mampalahelo anao.
Koa mba miangavy, tariho hatrany
Amin’ny alalan’ny fanahinao.
3. Ianao, Jehovah, no antenainay;
Fa kivy anie ka mahatsiaro ho very.
Dia ny fanahy no hampahery anay,
Hatanjaka toy ny voromahery.
(Jereo koa ny Sal. 51:11; Jaona 14:26; Asa. 9:31.)