HIRA 57
Mitoria Amin’ny Karazan’olona Rehetra
- 1. Andao hanahaka an’i Jehovah, - ’Zay tsy manavaka fa tsara toetra. - Tsarovy fa tsy misy tiany ho very - Ireo karazan’olona rehetra. - (FIVERENANA) - Ka ny zava-dehibe - Tsy ny bika na tarehy, - Fa ny fo ’zay mitepo anatiny ao. - N’iza n’iza io dia ampio, - N’aiza n’aiza itorio - Hoe: “I Jehovah te ho namanao!” 
- 2. Ny toerana misy azy aza jerena, - Tsy mampaninona izay fitafiany. - Jehovah no mahita ny ao am-po, - Ny maha izy azy sy ’zay mba iriny. - (FIVERENANA) - Ka ny zava-dehibe - Tsy ny bika na tarehy, - Fa ny fo ’zay mitepo anatiny ao. - N’iza n’iza io dia ampio, - N’aiza n’aiza itorio - Hoe: “I Jehovah te ho namanao!” 
- 3. Raha misy tapa-kevitra ny hiova, - Jehovah mbola vonona ny handray. - Koa ny karazan’olona rehetra, - ’Ndao hitoriana, hampiana tsirairay. - (FIVERENANA) - Ka ny zava-dehibe - Tsy ny bika na tarehy, - Fa ny fo ’zay mitepo anatiny ao. - N’iza n’iza io dia ampio, - N’aiza n’aiza itorio - Hoe: “I Jehovah te ho namanao!” 
(Jereo koa ny Jaona 12:32; Asa. 10:34; 1 Tim. 4:10; Tit. 2:11.)