HIRA 77
Mamiratra ao Anaty Haizina
Endrika Sary
1. Maizim-pito ’zao fiainana izao
Nefa misy antenaina.
Ny ampitso hitondra hazavana,
Fa ho avy ny maraina.
(FIVERENANA)
Tara-pahazavana
Anaty haizina izao
No ento sy zarao.
Ho fanantenana,
Lasa ny alina izay,
Hazava indray.
2. Ny fotoana miriotra tsy tana,
’Reo matory aoka hifoha.
Hatanjaho, omeo toky indray
’Zay resy, namoy fo.
(FIVERENANA)
Tara-pahazavana
Anaty haizina izao
No ento sy zarao.
Ho fanantenana,
Lasa ny alina izay,
Hazava indray.
(Jereo koa ny Jaona 3:19; 8:12; Rom. 13:11, 12; 1 Pet. 2:9.)