LESONA 1
Mahaiza Mampidi-dresaka
Asan’ny Apostoly 17:22
AHOANA IZANY? Ataovy mahaliana izay lazainao voalohany. Tonga dia ampidiro ao koa ny foto-kevitra horesahinao, ary ataovy tsapan’ilay olona hoe mahasoa azy ilay izy.
INONA AVY NO TOKONY HATAONAO?
- Ataovy mahaliana izay lazainao. Mitadiava fanontaniana na tantara tena nisy na vaovao na zavatra hafa mahaliana. 
- Ampidiro ao ny foto-kevitra horesahinao. Tonga dia ataovy mazava hoe inona ilay foto-kevitra tianao horesahina, ary nahoana ianao no te hiresaka an’ilay izy. 
- Ataovy tsapan’ilay olona hoe mahasoa azy ilay foto-kevitra. Hevitra tena ilainy no resaho. Tokony ho azony hoe mahasoa azy izay lazainao.