NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Ho Vitanao ny Hitory sy Hampianatra!
Nieritreritra i Mosesy tamin’ny voalohany hoe tsy ho vitany ilay zavatra nasain’i Jehovah nataony. (Ek 4:10, 13) Efa nahatsapa hoatr’izany koa ve ianao? Mianatra Baiboly miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ve ianao, ary mieritreritra hoe tsy ho vitanao mihitsy izany hitory isan-trano izany? Sa ianao mpianatra, ary tsy sahy mitory any am-pianarana? Sa ianao mpitory, ary matahotra ny hitory an-telefaonina na hitory eny amin’ny toerana be olona? Mivavaha amin’i Jehovah, raha izany, ary iangavio izy mba hanampy anao hanana herim-po. (1Pe 4:11) Matokia fa afaka manampy anao izy, mba hahavitanao an’izay asa anendreny anao.—Ek 4:11, 12.
JEREO ILAY VIDEO HOE MIEZAHA HO BE HERIM-PO: RY MPITORY, ARY VALIO IRETO:
Inona ny olana natrehin’ny Anabavy Aoyama?
Inona no nanampy azy hanana herim-po?—Je 20:7-9
Inona ny soa noraisiny rehefa niezaka nampitombo ny fanompoany izy?
Afaka manampy anao handresy an’ireo olana eny amin’ny fanompoana i Jehovah. Inona avy izany?