HIRA 13
Kristy no Modelintsika
Endrika Sary
1. Jehovah be fitia;
Nahafoy an’i Kristy
Mba hamonjena an’ireo mitaraina.
Kristy koa tsy nanda,
Nanetry tena mba
Hoe ny Rainy irery no hankalazaina.
2. Toy ny sakafo ilainy
Ny Tenin’ilay Rainy,
Satria nanampy azy haneho fahendrena.
Ny ainy aza nomeny,
Ka izy no modely,
Fa nankatò sady nanetry tena.
3. ’Ndao àry hanara-dia
’Zay nataon’i Kristy,
Handeha hatrany amin’ny fahitsiana.
Ny ohatra nomeny,
Ny toetra sy fiteny,
Araho raha tianao ny handray fitahiana.
(Jereo koa ny Jaona 8:29; Efes. 5:2; Fil. 2:5-7.)