HIRA 102
‘Ampio Ireo Mila Ampiana’
Endrika Sary
1. Tsisy hoe tsy manota izao
Noho ny fahalemena;
Fa tian’i Jehovah ihany,
Tiany hovonjena.
Ray tia mamindra fo!
Ray tena tia tokoa!
’Ndao hanahaka Azy koa,
Hifamindra fo.
2. ’Ndao àry hampiantsika ireo
Osa ara-panahy.
Omeo toky ireo ’zay kivy
Sy ’reo ’zay manahy.
Tian’i Jehovah ireny,
Na dia mety hoe malemy.
Mba henoy ’zay ao am-pony,
Ampio izy hitony.
3. Aza manameloka azy,
Aza manakiana.
Hatsaram-panahy no ilainy,
’Zay no fanampiana.
Mahareta f’aza kivy,
Iantrao sy ampio re izy;
Dia hatanjaka am’izay,
Ilay ondry ’ray.
(Jereo koa ny Isaia 35:3, 4; 2 Kor. 11:29; Gal. 6:2.)