HIRA 138
Tsara Tarehy Amin’i Jehovah Ireo Fotsy Volo
Endrika Sary
	- 1. Matokia fa sarobidy - Ianareo be taona; - Tena tia an’i Jehovah, - Miaritra eny foana. - Na dia osa na marary, - Na hoe maty vady... - Ray ô, ’zay ho valisoany, - Asehoy sahady! - (FIVERENANA) - Ny finoany, ry Ray, - Tsy hadinonao. - ’Zay nataony hatrizay, - Tena sitrakao! 
- 2. Fa fony ianareo tanora, - Nanao fanompoana, - Nanome ’zay tsara indrindra - Ka tsy hohadinoina. - ’Zao ’nareo na fotsy volo - Dia tsara tarehy - Amin’i Jehovah Ray, - Tsy mba foiny anie! - (FIVERENANA) - Ny finoany, ry Ray, - Tsy hadinonao. - ’Zay nataony hatrizay, - Tena sitrakao! 
(Jereo koa ny Sal. 71:9, 18; Ohab. 20:29; Mat. 25:21, 23; Lioka 22:28; 1 Tim. 5:1.)