HIRA 133
Tanora Manompo An’i Jehovah
Endrika Sary
1. Jehovah miantso ahy hoe zanaka tiana,
Raha manompo azy aho, handray fitahiana.
Izy no hanampy ahy na mafy na mora.
Tiako ny hanompo azy dieny tanora!
2. Dada sy Neny dia miahy ihany koa;
Te hankasitraka aho, tena hankatò.
Faly Jehovah ka hotadidiny,
’Zaho mba ho anisan’ny namana tiany.
3. Fa ’lay Mpamorona ihany no inoako,
Ary isan’andro izy dia hotsaroako.
’Zay tsara indrindra sy ’zay tena ambony
No tiako homena hampifaly ny fony.
(Jereo koa ny Sal. 71:17; Fitom. 3:27; Efes. 6:1-3.)