FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • hf 3 1-3
  • Ahoana no Hamahana Olana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Hamahana Olana?
  • Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • 1 RESAHO ILAY OLANA
  • 2 MIHAINOA TSARA ARY FANTARO IZAY TIANY HAMBARA
  • 3 TANTERAHO IZAY FANAPAHAN-KEVITRA NORAISINA
  • Aza Mivadika Amin’ny Vadinao
    Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?
  • Miantehera Amin’Andriamanitra
    Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?
  • Ahoana no Ifandraisana Tsara Amin’ny Havana?
    Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?
Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?
hf 3 1-3
A husband listens as his wife expresses her feelings

FIZARANA 3

Ahoana no Hamahana Olana?

“Mifankatiava fatratra, satria manarona fahotana maro be ny fitiavana.”—1 Petera 4:8

Hisy olana samihafa hipoitra rehefa miara-miaina ianareo mivady. Nahoana? Angamba satria ianareo tsy mitovy hevitra, na samy manana ny fihetseham-pony, na samy hafa ny fomba fitondranareo ny fiainana. Mety ho avy amin’ny antony tsy miankina aminareo koa ny olana, na noho ny zava-mitranga tsy ampoizina.

Mety ho tsy te hiraharaha ny olana mahazo antsika isika, nefa mampirisika antsika handamina azy ireny ny Tenin’Andriamanitra. (Matio 5:23, 24) Hahita ny vahaolana tsara indrindra ianao raha manaraka ny toro lalan’ny Baiboly.

1 RESAHO ILAY OLANA

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? “Misy fotoana itenenana.” (Mpitoriteny 3:1, 7) Manokàna fotoana hiresahana an’ilay olana. Tsory amin’ny vadinao izay tsapanao sy izay eritreretinao momba an’ilay izy. “Milazà ny marina” foana. (Efesianina 4:25) Miezaha mba tsy hiady amin’ny vadinao, na dia tezitra na malahelo be aza ianao. Tsy voatery hivadika ho ady ny resaka tsotra raha tony ianao rehefa mamaly.—Ohabolana 15:4; 26:20.

Miezaha foana ho tsara fanahy, na dia tsy ekenao aza ny hevitry ny vadinao. Aza hadinoina fa mila mampiseho ianao hoe tia sy manaja azy. (Kolosianina 4:6) Alamino haingana araka izay azo atao ilay olana, ary aza mitsahatra mifampiresaka.—Efesianina 4:26.

Marriage mates discuss a problem together

INONA NO AZONAO ATAO?

  • Mifidiana fotoana mety tsara mba hiresahana an’ilay olana

  • Aza tapahina ny tenin’ny vadinao. Tsy maintsy mbola hiteny ihany ianao avy eo

2 MIHAINOA TSARA ARY FANTARO IZAY TIANY HAMBARA

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? “Aoka ianareo hifaneho firaiketam-po lalina” ary “ho loha laharana raha ny amin’ny fifanomezam-boninahitra.” (Romanina 12:10) Tena zava-dehibe ny fomba fihainoanao. Miezaha hahazo ny hevitry ny vadinao sy hiombom-pihetseham-po aminy ary ‘hanetry tena’ rehefa mihaino azy. (1 Petera 3:8; Jakoba 1:19) Aza mody mihaino. Ajanony izay ataonao, raha mety, ka mifantoha amin’izay lazainy. Na anontanio izy raha azo resahina amin’ny fotoana hafa ilay izy. “Tsy ho mora tezitra” ianao raha mitadidy hoe mpinamana ianareo fa tsy mpifanandrina.—Mpitoriteny 7:9.

INONA NO AZONAO ATAO?

  • Henoy tsara foana ny vadinao ary aoka ianao ho vonona handinika an’izay lazainy, na dia tsy tianao aza ny heviny

  • Eritrereto izay tena tiany holazaina. Diniho tsara ny fihetsiny sy ny toe-peony

3 TANTERAHO IZAY FANAPAHAN-KEVITRA NORAISINA

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? “Ahitana tombontsoa ny fisasarana rehetra, fa ny teny fotsiny kosa mahatonga fahantrana.” (Ohabolana 14:23) Mety hahita vahaolana tsara ianareo, nefa tsy ampy izany. Mila tanterahina koa ny fanapahan-kevitra noraisina. Mety hilana ezaka mafy izany nefa hisy vokany tsara. (Ohabolana 10:4) Hovalian-tsoa ny asa mafy ataonareo mivady, raha mifanampy tsara ianareo.—Mpitoriteny 4:9.

INONA NO AZONAO ATAO?

  • Mifanaraha hoe inona no hataon’ny tsirairay aminareo mba hamahana an’ilay olana

  • Jereo tsindraindray ny ezaka efa vita

MIARAHA MAMAHA OLANA

Raha mifanampy ianareo, dia ho mafy orina sy sambatra ny tokantranonareo fa tsy ho mora rava sy feno fahoriana. (Ohabolana 24:3) Banjino ny hoavy ary aza ampahatsiahivina ny olana tamin’ny lasa. (Ohabolana 17:9) Ho voavahanareo ny olana rehetra mitranga, raha mifanampy ianareo sady manaraka ny toro lalan’ny Baiboly.

ERITRERETO IZAO:

  • Inona ny olana mila vahana haingana indrindra ka tiako horesahina amin’ny vadiko?

  • Ahoana no ahafahako mahazo tsara an’izay tsapan’ny vadiko momba an’ilay olana?

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara