LESONA 58
Aza Mivadika Amin’i Jehovah Mihitsy
Tapa-kevitra ny tena Kristianina hoe tsy misy na inona na inona avelany hisakana azy tsy hanompo an’i Jehovah. Azo antoka fa hoatr’izany koa ianao. Tena zava-dehibe amin’i Jehovah ny hoe tsy mivadika aminy ianao. (Vakio ny 1 Tantara 28:9.) Rahoviana anefa no mety ho sarotra amintsika ny hoe tsy mivadika, ary inona no hanampy antsika tsy hivadika mihitsy?
1. Nahoana no mety hahatonga antsika hivadika amin’i Jehovah ny olon-kafa?
Hisy olona hiezaka hisakana antsika tsy hanompo an’i Jehovah. Anisan’izany ny olona sasany niala tamin’ny fahamarinana. Milaza lainga momba ny fandaminan’i Jehovah izy ireo, mba hahatonga antsika tsy hanam-pinoana intsony. Antsoina hoe mpivadi-pinoana ireny olona ireny. Manely tsaho momba antsika koa ny mpitondra fivavahana sasany. Raha tsy mitandrina tsara ny mpanompon’i Jehovah amin’izay, dia hiala amin’ny fahamarinana. Mampidi-doza ny miady hevitra amin’ireny mpanohitra ireny, na mamaky ny bokiny, na mijery ny videony, na mitsidika ny tranonkalany ao amin’ny Internet. Niresaka momba an’ireo olona manakana ny hafa tsy hanompo an’i Jehovah i Jesosy. Izao no nolazainy: “Avelao izy fa mpitarika jamba. Ary raha jamba no mitarika jamba, dia samy hianjera any an-kady ry zareo.”—Matio 15:14.
2. Ahoana no hahitana hoe tsy mivadika amin’i Jehovah ianao amin’ny fanapahan-kevitra raisinao?
Raha tia an’i Jehovah ianao dia tsy hanao zavatra misy idirany amin’ny fivavahan-diso mihitsy. Tsy tokony hisy ifandraisany amin’ny fivavahan-diso ny asantsika, na ny fikambanana misy antsika, na ny zavatra hafa ataontsika. Mampitandrina antsika i Jehovah hoe: “Mivoaha avy ao [amin’i Babylona Lehibe], ianareo vahoakako.”—Apokalypsy 18:2, 4.
ANDAO HOHALALININTSIKA
Hodinihintsika ireto: Inona no azonao atao mba tsy hisy na iza na iza hahatonga anao hivadika amin’i Jehovah? Ahoana no hampisehoanao hoe tsy mifandray amin’i Babylona Lehibe mihitsy ianao?
3. Mitandrema amin’ny mpampianatra sandoka
Inona no tokony hataontsika raha maheno olona manaratsy ny fandaminan’i Jehovah isika? Vakio ny Ohabolana 14:15, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Nahoana isika no tokony hitandrina mba tsy hino an’izay rehetra henontsika?
Vakio ny 2 Jaona 9-11, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:
Ahoana no tokony hataontsika amin’ny mpivadi-pinoana?
Mety tsy hiresaka mivantana amin’ny mpivadi-pinoana isika. Ahoana anefa no mety hahatonga antsika hihaino ny fampianarany?
Araka ny hevitrao, inona no mety ho tsapan’i Jehovah raha mihaino olona manaratsy azy sy ny fandaminany isika?
4. Aza mivadika amin’i Jehovah rehefa misy manao fahotana lehibe
Inona no andraikitsika raha fantatsika hoe nanao fahotana lehibe ny rahalahy na anabavy iray? Handinika toro lalana iray ao amin’ny Lalàn’Andriamanitra ho an’ny Israelita isika. Vakio ny Levitikosy 5:1.
Hita avy amin’io andinin-teny io fa mila milaza amin’ny anti-panahy isika raha fantatsika hoe nanao fahotana lehibe ny olona iray. Tsara fanahy anefa isika raha ilay olona nanota mihitsy aloha no asaintsika miresaka amin’ny anti-panahy. Raha tsy manao an’izany izy, dia hasehontsika hoe tia an’i Jehovah isika ka horesahintsika amin’ny anti-panahy izay zavatra fantatsika. Nahoana isika amin’izay no mampiseho hoe tsy mivadika...
amin’i Jehovah Andriamanitra?
amin’ilay olona nanota?
amin’ireo rahalahy sy anabavy ao amin’ny fiangonana?
Raha hitanao hoe manana olana ny mpiara-manompo aminao, dia ampio izy!
5. Aza mifandray amin’i Babylona Lehibe mihitsy
Vakio ny Lioka 4:8 sy ny Apokalypsy 18:4, 5, ary valio ireto fanontaniana ireto:
Mbola voasoratra any amin’ny fivavahan-diso ve ny anarako?
Ao anatina fikambanana misy ifandraisany amin’ny fivavahan-diso ve aho?
Manohana ny fivavahan-diso ve ny asako?
Mbola misy ifandraisany amin’ny fivavahan-diso ve ny zavatra hafa ataoko?
Raha misy hoe eny ny valin’ireo fanontaniana ireo, dia inona no fiovana mila ataoko?
Na inona na inona fanapahan-kevitra horaisinao, dia ataovy azo antoka hoe hampilamina ny eritreritrao ilay izy sady hampiseho hoe tsy mivadika amin’i Jehovah ianao.
Inona no hataonao raha asaina manome vola ianao mba hanohanana asa soa ataon’ny fivavahana?
MISY MITENY HOE: “Mila fantariko hoe inona no lazain’ny mpivadi-pinoana momba antsika Vavolombelon’i Jehovah, amin’izay aho afaka miaro ny fahamarinana.”
Hendry ve isika raha manao an’izany? Nahoana?
FAMINTINANA
Raha tsy te hivadika amin’i Jehovah isika, dia tsy tokony hifanerasera amin’ny olona mitady hamitaka antsika.
Famerenana
Maninona isika no tsy tokony hihaino ny fampianaran’ny mpivadi-pinoana?
Inona no tokony hataontsika raha fantatsika hoe nanao fahotana lehibe ny rahalahy na anabavy iray?
Ahoana no ampisehoantsika hoe miala amin’ny fivavahan-diso isika?
JEREO KOA ITY
Inona no nataon’ny mpanohitra sasany mba hampihenana ny finoantsika?