FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lmd 4
  • Manetre Tena

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manetre Tena
  • Tiavo ny Olona ka Ampianaro
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana no nataon’i Paoly?
  • Inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’i Paoly?
  • Tahafo i Paoly
  • “Aza Mihevi-tena Mihoatra Noho Izay Tokony Hoheverina”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
  • Mahaiza Mandanjalanja
    Tiavo ny Olona ka Ampianaro
Tiavo ny Olona ka Ampianaro
lmd 4

MIRESADRESAHA ALOHA

Mifatotra amin’ny mpiambina iray ny apostoly Paoly. Miresaka amim-panajana amin’i Agripa Mpanjaka sy Festosy Governora ary Berenika izy.

Asa. 26:2, 3

LESONA 4

Manetre Tena

Torolalana: “Manetre tena ka hevero hoe ambony noho ianareo ny hafa.”​—Fil. 2:3.

Ahoana no nataon’i Paoly?

Mifatotra amin’ny mpiambina iray ny apostoly Paoly. Miresaka amim-panajana amin’i Agripa Mpanjaka sy Festosy Governora ary Berenika izy.

VIDEO: Mitory Amin’i Agripa Mpanjaka i Paoly

1. Jereo ilay VIDEO, na vakio ny Asan’ny Apostoly 26:2, 3. Diniho ireto fanontaniana ireto avy eo:

  1. Ahoana no nampisehoan’i Paoly hoe nanetry tena izy rehefa niresaka tamin’i Agripa Mpanjaka?

  2. Tsy nisarika ny sain’ny olona tamin’ny tenany i Paoly fa tamin’i Jehovah sy ny Soratra Masina. Ahoana no nanaovany an’izany?​—Jereo ny Asan’ny Apostoly 26:22.

Inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’i Paoly?

2. Hahafinaritra kokoa ny hihaino ny hafatra entintsika raha manetry tena sy manaja olona isika.

Tahafo i Paoly

3. Aza manambony tena. Hajao ny olona iresahanao fa aza miseho ho mahay.

4. Ataovy mazava tsara hoe avy ao amin’ny Baiboly ny hafatra entinao. Manohina ny fo ny hevitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Hoatran’ny hoe manorina ny finoan’ilay olona eo ambony fototra tsara isika raha mampiasa ny Tenin’Andriamanitra.

5. Miezaha halemy fanahy foana. Aza miziriziry amin’ny hevitrao ary aza miady hevitra. Manetre tena dia miezaha ho tony foana ary fantaro hoe rahoviana ianao no tokony hiala. (Ohab. 17:14; Tit. 3:2) Mety hanaiky hiresaka ihany ilay olona amin’ny manaraka raha malemy fanahy ianao.

JEREO KOA IRETO

Rom. 12:16-18; 1 Kor. 8:1; 2 Kor. 3:5

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara