HIRA 48
Miaraha Mandeha Amin’i Jehovah Isan’andro
(Mika 6:8)
1. ’Ndao mba samy hanetry tena,
Hotantanan’i Jehovah Ray.
’Sika anie nanokan-tena,
Sady tiany ’sika tsirairay.
’Lay Fanomezana hafakely
No niaro antsika tsy ho very;
Fa izy te ho namantsika,
Nandray, tsy namela ho irery.
2. Mbola ampoizintsika aloha ’reo
Fitsapana avy amin’i Satana,
Fa Jehovah hiaro antsika
Tsy ho kivin’ireo fisedrana.
Ny farany efa io tazana io,
Koa ampiasao ny fotoana.
Tsarovy izao ka tadidio:
Miezaha mba ho akaiky azy foana.
3. ’Ndao mba samy hanaiky hatoro;
Ny Baiboly avelao hanan-kery,
Eo koa ny mpiara-manompo,
Ny Fanahy eo mba hanome hery.
Jehovah te hanampy anao,
Koa mba ekeo ’zay lazainy.
Resaho ’zay rehetra ao am-ponao.
Ny vavaka anie tena ilaina.
(Jereo koa ny Gen. 5:24; 6:9; 1 Mpanj. 2:3, 4.)