HIRA 33
Apetraho Amin’i Jehovah Izay Manavesatra Anao
1. Mba henoy re aho, Jehovah,
Reraka aho dia mitaraina.
Mba jereo re ’zay manjo ahy,
Tebiteby sy adin-tsaina.
(FIVERENANA)
Avelao ho an’i Jehovah
Raha tsy zaka ny hakiviana.
Lazao azy izay mampanahy,
F’izy eo foana, azo itokiana.
2. Te handositr’aho ka hiala.
Raha mba voronkely aho mantsy!
Mba nikopak’elatra any aho,
Dia tsy ho azon’ny olon-dratsy.
(FIVERENANA)
Avelao ho an’i Jehovah
Raha tsy zaka ny hakiviana.
Lazao azy izay mampanahy,
F’izy eo foana, azo itokiana.
3. Dia mampionona ahy Jehovah,
Manome fiadanan-tsaina.
’Zay mavesatra ao am-poko ao,
Omeko azy holanjaina.
(FIVERENANA)
Avelao ho an’i Jehovah
Raha tsy zaka ny hakiviana.
Lazao azy izay mampanahy,
F’izy eo foana, azo itokiana.
(Jereo koa ny Sal. 22:5; 31:1-24.)