HIRA 128
Miareta Hatramin’ny Farany
Endrika Sary
	- 1. Ny Tenin’Andriamanitra, - Raha raisinao am-po, - Hanampy anao mba hiaritra - Na mafy aza ny manjo. - Ny andron’i Jehovah izao, - Tadidio, ataovy an-tsaina. - Finoana vita sedra anie - No fiadiana tena ilaina. 
- 2. Miareta f’aza ketraka, - Aza manaiky ho resy. - Ilay fitiavana ao am-po, - Tandremo mba tsy ho lefy. - ’Zay fitsapana ho avy koa, - Aza atao mahakivy anao. - Jehovah ’nie tsy lavitra, - Eo izy ho tokinao. 
- 3. Ny anaran’izay miaritra, - ’Zay hovonjen’ny Ray, - Voasoratra any an-danitra, - Tsaroany mandrakizay. - Miareta hatram’ny farany - Ka miezaha tsy hisy tsiny. - Jehovah tena hahatsiaro anao, - Ny fiainanao hotahiny! 
(Jereo koa ny Heb. 6:19; Jak. 1:4; 2 Pet. 3:12; Apok. 2:4.)