FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g18.2 6
  • 6 Mahaiza Mananatra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 6 Mahaiza Mananatra
  • Mifohaza!—2018
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • AHOANA IZANY?
  • NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA?
  • INONA NO AZONAO ATAO?
  • “Izay Tian’i Jehovah no Faiziny”
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2021
Mifohaza!—2018
g18.2 6
A family in a boat steered by a rudder

Hoatran’ny familian-tsambo ny fananarana, satria manampy an’ilay ankizy tsy ho diso lalana

HO AN’NY RAY AMAN-DRENY

6 Mahaiza Mananatra

AHOANA IZANY?

Mety hidika hoe mampianatra na manome tari-dalana ny hoe mananatra. Efa mananatra ny zanakao koa ianao rehefa manitsy azy amin’izay tsy mety ataony. Manampy an’ilay ankizy hahalala izay tokony hataony anefa no dikan’izy io matetika.

NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA?

Lasa tsy tia mananatra ny zanany ny ray aman-dreny tato ho ato. Matahotra mantsy izy ireo sao lasa tsy matoky tena intsony ny zanany. Hendry anefa ny ray aman-dreny raha manome fitsipika ho an’ny zanany sady manampy azy ireo hankatò an’ilay izy. Tsy tokony ho tafahoatra anefa ny fitsipika omena azy ireo.

“Mila ampahafantarina ny ankizy izay tokony hatao sy tsy tokony hatao. Amin’izay izy ho matotra tsara rehefa lehibe. Ho diso lalana ny sambo raha tsy misy familiana, ary mety hivadika mihitsy aza. Hoatr’izany koa no hiafaran’ny ankizy raha tsy anarina.”—Pamela.

INONA NO AZONAO ATAO?

Aza miovaova. Aza avela amin’izao ny ankizy fa sazio, raha tsy manaraka ny fitsipika napetrakao. Derao kosa izy rehefa mankatò.

“Tsy dia tia mankatò ny olona amin’izao. Matetika àry aho no midera ny zanako satria ry zareo tsy hoatr’izany. Lasa mora ahitsy ry zareo amin’izay, rehefa misy zavatra tsy mety ataony.”—Christine.

TORO LALAN’NY BAIBOLY: “Izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy.”—Galatianina 6:7.

Mahaiza mandanjalanja. Rehefa misy zavatra tsy mety ataon’ny zanakao, dia jereo hoe azo leferina ve ilay izy sa tsia, raha ny taonany sy ny fahaizany no jerena. Mandaitra ny sazy raha misy ifandraisany amin’ilay zavatra tsy nety natao. Mety ho noferanao, ohatra, ny fotoana ampiasan’ny zanakao telefaonina. Raha tsy mankatò izy dia azo atao ny hoe tsy avela mampiasa telefaonina kely aloha. Aza dia sarotsarotiny amin’ny zavatra tsy misy dikany anefa.

“Raha tsy nankatò ny zanako, dia jereko aloha hoe fanahy iniana ve ilay izy sa tsia. Teneniko fotsiny izy raha fahadisoana tsy nahy ilay izy. Faiziko kosa izy raha zavatra efa nitenenana an’azy ilay izy nefa mbola ataony ihany.”—William.

TORO LALAN’NY BAIBOLY: “Aza mampahatezitra ny zanakareo, mba tsy ho kivy izy.”—Kolosianina 3:21.

Miezaha ho be fitiavana. Ho mora kokoa amin’ny ankizy ny hanaiky famaizana, raha tsapany hoe tena tia azy ny ray aman-dreniny matoa manafay.

“Nisy fotoana ny zanakay lahy nanao zavatra tsy nety. Noteneninay an’azy hoe tena nahafaly anay ny zavatra tsara nataony taloha. Nohazavainay taminy koa fa tsy ho ratsy laza izy, raha manitsy an’ilay fahadisoana, sady izahay koa eo foana hanampy azy.”—Daniel.

TORO LALAN’NY BAIBOLY: “Ny fitiavana mahari-po sy tsara fanahy.”—1 Korintianina 13:4.

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara