HIRA 112
Jehovah, Andriamanitry ny Fiadanana
Endrika Sary
	- 1. Jehovah ô, androtsahy - Ny fiadananao ’zahay; - Ka mitalaho, mba izarao - ’Lay fanahy ’zay mampiray. - Kristy nanampy anay - Mba ho lasa tafaray, - Mba ho tianao, mba hampianao; - Ka ho namanao indray. 
- 2. Toa maizim-pito izao; - Jiro ho anay ny Teninao - Ka manoro mba hijoro, - Tsy hivadika aminao. - Manampy tsy ho very - Ny fanahinao mahery; - Omeo anay fa ilainay - Hampitony, hampahery. 
- 3. ’Zahay nangoninao, - Tafaray manompo anao; - Ka milaza, manazava - Momba ny Fanjakanao. - Fa ho avy ny fotoana, - Ny ady rehetra dia ho foana. - Tsy hijaly, hiara-paly - ’Zay rehetra tafahaona! 
(Jereo koa ny Sal. 4:8; Fil. 4:6, 7; 1 Tes. 5:23.)