FANAJARIA BOKY ahi-ty Vavolombeloni-Jehovah
FANAJARIA BOKY
ahi-ty Vavolombeloni-Jehovah
Vezo
  • BAIBOLY
  • RAHA FA MISY
  • FIVORIA
  • Lesona avy Amin’ilay Fahitan’i Ezekiela Momba ny Tempoly
    Nampolin’i Jehovah Ndraiky ty Fivavaha Malio!
  • “Zao ty Lalàna Mikasiky ani-Tempoly Iny”
    Nampolin’i Jehovah Ndraiky ty Fivavaha Malio!
    • Ino ty ianarantsika baka amy fahitani-Ezekiela iny?

      Biby be dia be hatao sorona ao amin’ilay tempoly hitan’i Ezekiela.

      EFAJORO 13A: Tempoly Samy Hafa, Lesona Samy Hafa

      13, 14. a) Akory ty ahaizantsika fa tanteraky amy androntsika zao fahitani-Ezekiela mikasiky tempoly iny? b) Ino iaby ty soa rambesintsika baka amy fahità iny? (Henteo koa ty efajoro 13A hoe “Tempoly Samy Hafa, Lesona Samy Hafa.”)

      13 Mahakasika ny androntsika koa ve ilay fahitan’i Ezekiela momba ny tempoly? Izany mihitsy! Tadidio hoe misy itovizany ilay fahitan’i Ezekiela sy ilay faminanian’i Isaia. I Ezekiela nilaza hoe eo amin’ny “tendrombohitra iray tena avo be” ny trano masin’Andriamanitra. I Isaia indray niteny hoe ‘ho mafy orina sady ho avo noho ny tampon’ireo tendrombohitra ilay tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah.’ Mariho fa nilaza i Isaia avy eo hoe “any am-parany any” na “amin’ny andro farany” no ho tanteraka ilay faminaniany. (Ezek. 40:2; Isaia 2:2-4, f.a.p.; jereo koa ny Mika 4:1-4.) Mazava àry fa tanteraka amin’izao andro farany izao ireo faminaniana roa ireo. Nanomboka tamin’ny 1919 izany no tanteraka rehefa naverina tsikelikely tamin’ny laoniny ny fivavahana madio. Lasa nisandratra izy io ka hoatran’ny hoe natao teo ambony tendrombohitra avo be.b

      14 Mahakasika ny fivavahana madio amin’izao androntsika izao àry ilay fahitan’i Ezekiela! Misy soa roa koa raisintsika avy amin’izy io, hoatran’ny tamin’ny Jiosy natao sesitany ihany: 1) Mampianatra antsika izy io hoe ahoana no tokony hampiharantsika ny fitsipik’i Jehovah momba ny fivavahana madio. 2) Manome toky izy io hoe haverina amin’ny laoniny ny fivavahana madio ary hanome fitahiana be dia be i Jehovah.

  • Lesona avy Amin’ilay Fahitan’i Ezekiela Momba ny Tempoly
    Nampolin’i Jehovah Ndraiky ty Fivavaha Malio!
    • Sary mampiseho an’ilay tempoly ao amin’ny fahitan’i Ezekiela sy ny nanodidina azy. Sary 1: Tendrombohitra avo be. Sary 2: Manda nanodidina ny faritra nisy an’ilay tempoly. Sary 3: Faritra midadasika be nanodidina an’ilay tempoly. Sary 4: Renirano nikoriana avy tao amin’ny toerana masin’ilay tempoly. Sary 5: Vavahady ivelany. Sary 6: Manda nanodidina an’ilay tempoly. Sary 7: Tokotany ivelany. Sary 8: Efitra fisakafoana teny ivelany. Sary 9: Vavahady anatiny. Sary 10: Tokotany anatiny. Sary 11: Alitara. Sary 12: Toerana masin’ilay tempoly. Sarina fiaramanidina ngezabe. Tena kely ilay izy raha oharina amin’ny refin’ny rindrina iray amin’ilay manda nanodidina ny faritra nisy an’ilay tempoly.

      Nasandratra sy narovana ny fivavahana madio

      Nasandratra ho eo “an-tampon’ny tendrombohitra iray tena avo be” (1) ilay tempoly hitan’i Ezekiela. Ataontsika amin’ny toerana ambony koa ve ny fivavahana madio, ka izy io no ataontsika zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainantsika?

Fanajaria Boky Vezo (2001-2026)
Hiboaky
Hilitsy
  • Vezo
  • Hizara
  • Hamboamboatsy
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekea
  • Fifanekea Mikasiky Sekirè
  • Hanova Fifanekea
  • JW.ORG
  • Hilitsy
Hizara