FANAJARIA BOKY ahi-ty Vavolombeloni-Jehovah
FANAJARIA BOKY
ahi-ty Vavolombeloni-Jehovah
Vezo
  • BAIBOLY
  • RAHA FA MISY
  • FIVORIA
  • “Zarao ho Lovanareo Tany Iny”
    Nampolin’i Jehovah Ndraiky ty Fivavaha Malio!
    • ‘Amea ho lovanareo tany toy’

      5, 6. a) Ino “faritsy” hozarà voaresaky amy fahitani-Ezekiela iny? (Henteo sary voalohany amy toko toy.) b) Manino Jehovah ro nanome fahità mikasiky fizarà ani-tany iny?

      5 Vakio ny Ezekiela 47:14. Nasehon’i Jehovah an’i Ezekiela tao anaty fahitana ny tany iray ho lasa hoatran’ny “zaridainan’i Edena.” (Ezek. 36:35) Nilaza izy avy eo hoe: “Ity no faritra hatokanareo ho lovan’ny foko roa ambin’ny folon’ny Israely.” (Ezek. 47:13) Tsy inona io “faritra” io fa ny tany hipetrahan’ny Jiosy avy any an-tsesitany, izany hoe ny tanin’ny Israely izay ho lasa tsara tarehy sy mamokatra be. Hitantsika ao amin’ny Ezekiela 47:15-21 fa nampahafantarin’i Jehovah tamin’ny an-tsipiriany avy eo hoe aiza sy aiza avy no hisy ny sisin’ilay tany hozaraina.

      6 Nahoana i Jehovah no nanome an’io fahitana io, sady nilaza mazava tsara hoe aiza sy aiza ny sisin’ilay tany hozaraina? Te hanome toky an’i Ezekiela sy ireo niara-natao sesitany taminy izy hoe tena haverina amin’ny laoniny ilay tany tsy foin-dry zareo. Eritrereto ange ny hafalian’ny Jiosy natao sesitany rehefa nahafantatra an’izany e! Tena nahazo tany ho lovany ve anefa ny Israelita tamin’izany? Izany mihitsy!

      Renirano mivarina any an-dranomasina, dia manodidina azy ilay tany hozaraina.

      7. a) Ino ty raha niseho nanomboky tamy 537 T.K., le ino ty mitovy amy raha zay amy zao? b) Ino ty fanontanea hodinihintsika henanizao?

      7 Tamin’ny 537 T.K., izany hoe 56 taona teo ho eo taorian’ny nahazoan’i Ezekiela an’ilay fahitana, dia Jiosy an’arivony natao sesitany no nanomboka niverina tany Israely dia nipetraka tao. Misy zavatra mitovy amin’io zava-nitranga niavaka io koa amin’izao andro izao. Azo lazaina hoe nahazo anjara tany koa mantsy ny vahoakan’Andriamanitra, satria navelan’i Jehovah hiditra sy hipetraka ao amin’ny paradisa ara-panahy. Betsaka no azo ianarana momba an’io paradisa ara-panahy io, rehefa dinihina izay nitranga tao amin’ilay Tany Nampanantenaina naverina tamin’ny laoniny. Alohan’ny handinihantsika an’izany anefa, dia andao hovaliantsika ity fanontaniana ity: “Nahoana isika no milaza fa tena misy io paradisa ara-panahy io amin’izao?”

      8. a) Nisoloani-Jehovah an’ia ty firenen’Israely? b) Ino paradisa ara-panahy io? d) Nombia raha io ro nanomboky nisy, le ia iaby ro ao?

      8 Efa nasehon’i Jehovah tao amin’ny fahitana talohan’izay hoe ho lasa Mpanjaka i ‘Davida mpanompony’, izany hoe i Jesosy Kristy, dia aorian’izay no ho tanteraka amin’ny fomba miavaka kokoa ireo faminaniana momba ny famerenana amin’ny laoniny ny tanin’i Israely. (Ezek. 37:24) Tamin’ny 1914 i Jesosy no lasa Mpanjaka. Efa ela ny firenen’Israely tamin’izany no nosoloan’i Jehovah firenena ara-panahy, izany hoe ny Kristianina voahosotra. (Vakio ny Matio 21:43; 1 Petera 2:9.) Tsy ilay firenena ihany anefa no nosoloany, fa nosoloany paradisa ara-panahy koa ny tanin’i Israely. (Isaia 66:8) Efa hitantsika tao amin’ny Toko faha-17 fa tany an’ohatra misy ny vahoakan’i Jehovah io paradisa ara-panahy io, ary milamina sy voaro tsara ry zareo ao. Nanomboka tamin’ny 1919 ny sisa voahosotra no niara-nanompo an’i Jehovah tao. (Jereo ilay efajoro 9B hoe “Fa Maninona no hoe 1919?”) Rehefa nandeha ny fotoana, dia lasa nipetraka tao koa ny “ondry hafa”, izany hoe ny olona manantena hiaina eto an-tany. (Jaona 10:16) Marina fa mitatra ilay paradisa ara-panahy ary mihabetsaka ny fitahiana ao amin’izy io. Aorian’ny Aramagedona anefa isika vao hankafy an’ireny fitahiana ireny amin’ny fomba feno.

  • “Zarao ho Lovanareo Tany Iny”
    Nampolin’i Jehovah Ndraiky ty Fivavaha Malio!
    • 13 Voalohany, ilay tany. Nahazo toromarika i Mosesy hoe homena ampahana tany lehibe kokoa izay foko misy olona betsaka kokoa. (Nom. 26:52-54) Nilaza mazava anefa i Jehovah tao amin’ilay fahitan’i Ezekiela hoe “anjara mitovy” no homena ny foko rehetra, “ka ny tsirairay ho toy ny rahalahiny.” (Ezek. 47:14, f.a.p.) Tsy maintsy hatao mitovy tanteraka àry ny haben’ny anjaran’ny foko tsirairay, manomboka eo amin’ny sisin-tany avaratra ka hatrany amin’ny sisin-tany atsimo. Samy ho afaka hankafy ny zavatra tsara vokatra ao amin’ny Tany Nampanantenaina ny Israelita rehetra amin’izay, na inona na inona foko nisy azy.

Fanajaria Boky Vezo (2001-2026)
Hiboaky
Hilitsy
  • Vezo
  • Hizara
  • Hamboamboatsy
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekea
  • Fifanekea Mikasiky Sekirè
  • Hanova Fifanekea
  • JW.ORG
  • Hilitsy
Hizara