FANAJARIA BOKY ahi-ty Vavolombeloni-Jehovah
FANAJARIA BOKY
ahi-ty Vavolombeloni-Jehovah
Vezo
  • BAIBOLY
  • RAHA FA MISY
  • FIVORIA
  • Ia ‘Raha Mananay Mana Tarehy Efatsy’ Reo?
    Nampolin’i Jehovah Ndraiky ty Fivavaha Malio!
    • 15. Ino ty hevitsy mampahery nianarani-Ezekiela lafa nahazo ani-fahità voalohany iny ie?

      15 Nisy hevitra tena lehibe sady mampahery nianaran’i Ezekiela avy tamin’ilay fahitana voalohany. Momba ny fifandraisany tamin’i Jehovah io hevitra io, ary hita ao amin’ny teny fampidirana amin’ny boky nosoratany. Nilaza izy hoe “tany amin’ny tanin’ny Kaldeanina” no nisy azy, dia avy eo izy nitantara hoe “teo no niasa taminy ny herin’i Jehovah.” (Ezek. 1:3) Mariho fa tsy niteny izy hoe tany Jerosalema izy no nahazo an’ilay fahitana, fa teo, izany hoe tany amin’ilay nisy azy tany Babylona.c Inona no dikan’izany? Marina fa natao sesitany lavitra an’i Jerosalema sy ny tempoliny i Ezekiela, sady ambany no niheveran’ny olona azy tany. Tsy hoe tafasaraka tamin’i Jehovah anefa izy na hoe tsy afaka nivavaka taminy intsony. Niseho taminy i Jehovah na dia tany Babylona aza izy. Manaporofo izany hoe afaka nivavaka tamin’Andriamanitra foana i Ezekiela, na taiza izy na taiza, ary na inona na inona toe-javatra nisy azy. Ny tany am-pony sy ny faniriany hanompo an’i Jehovah mantsy no tena zava-dehibe.

  • Ia ‘Raha Mananay Mana Tarehy Efatsy’ Reo?
    Nampolin’i Jehovah Ndraiky ty Fivavaha Malio!
    • c Nisy mpamakafaka teny ao amin’ny Baiboly nilaza fa ilay teny hoe “teo” dia mampiseho ny hafalian’i Ezekiela tamin’io fotoana io rehefa nahafantatra hoe teo Andriamanitra, izany hoe tany Babylona. Nilaza koa izy fa nampahery be izany.

Fanajaria Boky Vezo (2001-2026)
Hiboaky
Hilitsy
  • Vezo
  • Hizara
  • Hamboamboatsy
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekea
  • Fifanekea Mikasiky Sekirè
  • Hanova Fifanekea
  • JW.ORG
  • Hilitsy
Hizara