FAGNAJARIAM-BOKE TY Vavolombelo i Jehovah
FAGNAJARIAM-BOKE TY
Vavolombelo i Jehovah
Tandroy
  • BAIBOLY
  • BOKE AMAN-GAZETE
  • FIVORIAGNE
  • rr p. 166
  • Ohola sy Oholiba

Tsy misy video mifandrambe amy io

Ajafady fa tsy mete miseho i videoy

  • Ohola sy Oholiba
  • Nahere i Jehovah Indraike ty Fivavahagne Malio!
  • Lohan-drehake kedekede
  • Fitaovagne Mitovitovy
  • Mampiseho ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina ve i Ohola sy Oholiba?
  • Fagnazavagne Vaovao amy ty Boke toy Ato
    Nahere i Jehovah Indraike ty Fivavahagne Malio!
  • “Tsy Hengako Hanao Makorely Sasa Rehe”
    Nahere i Jehovah Indraike ty Fivavahagne Malio!
  • Mifanitsy Amin’i Jerosalema ve ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina?
    Nahere i Jehovah Indraike ty Fivavahagne Malio!
Nahere i Jehovah Indraike ty Fivavahagne Malio!
rr p. 166
Ohola sy Oholiba, mpirahavavy mpivaro-tena.

EFAJORO 15A

Ohola sy Oholiba

Notenenin’i Jehovah mafy ny vahoakany ao amin’ny Ezekiela toko faha-23 satria nivadika taminy. Betsaka no itovizan’io toko io amin’ny toko faha-16. Mampitaha ny vahoakan’Andriamanitra amin’ny mpivaro-tena koa io toko io, ary resahina ao hoe hoatran’ny zandry vavin’i Samaria i Jerosalema. Na ny toko faha-16 na ny faha-23 dia samy miresaka hoe nivaro-tena ilay zokiny vavy, dia nanao hoatr’izany koa ilay zandriny fa mbola ratsy kokoa ny nataony tatỳ aoriana. Nomen’i Jehovah anarana izy roa vavy ao amin’ny toko faha-23. Ohola ilay zokiny, izany hoe i Samaria renivohitry ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely. Oholiba kosa ilay zandriny, izany hoe i Jerosalema renivohitr’i Joda.a​—Ezek. 23:1-4.

Misy zavatra hafa koa mampitovy an’ireo toko ireo, fa ireto angamba no misongadina indrindra: Resahina ao hoe vadin’i Jehovah ireo vehivavy ireo fa nivadika taminy. Hita ao koa fa mbola nantenaina hoe hiova ny vahoakan’i Jehovah. Na dia tsy miresaka mivantana an’io hevitra io aza ny toko faha-23, dia misy tenin’i Jehovah momba an’izany hita ao, ary mitovitovy amin’izay voalaza ao amin’ny toko faha-16 ilay izy. Izao no nolazainy: “Hataoko mifarana hatreo ny fitondran-tenanao mamoafady sy ilay ianao mivaro-tena.”​—Ezek. 16:16, 20, 21, 37, 38, 41, 42; 23:4, 11, 22, 23, 27, 37.

Mampiseho ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina ve i Ohola sy Oholiba?

Nilaza ny bokintsika taloha hoe i Ohola sy Oholiba dia mampiseho ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina, izay mizara ho Fivavahana Katolika sy Fivavahana Protestanta. Rehefa nivavaka sy nikaroka bebe kokoa anefa isika, dia nisy fanontaniana mampieritreritra nipoitra. Efa nisy fotoana ve azo nolazaina hoe vadin’i Jehovah ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina? Ary efa nisy fotoana ve izy io nanao fifanekena taminy? Tsia. Mbola tsy nisy akory ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina, tamin’i Jesosy lasa mpanelanelana ny “fifanekena vaovao” nataon’i Jehovah sy ny Israely ara-panahy. (Jer. 31:31; Lioka 22:20) Tsy mbola anisan’ny Israely ara-panahy mihitsy koa izy io hatramin’izay. Efa ela be taorian’ny nahafatesan’ny apostoly vao nisy izy io, izany hoe tamin’ny taonjato fahefatra, ary efa Kristianina sandoka sy nivadi-pinoana no tao tamin’izany. Noharin’i Jesosy tamin’ny “tsimparifary” ireo Kristianina sandoka ireo.​—Mat. 13:24-30.

Ankoatra an’izany, dia nilaza i Jehovah fa mbola nantenaina hoe hiova i Jerosalema sy Samaria na dia nivadika aza. (Ezek. 16:41, 42, 53-55) Milaza ve anefa ny Baiboly fa mbola azo antenaina hoe hiova koa ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina? Tsia! Tsy misy azo antenaina intsony ny amin’izy io sy ny amin’ny fivavahana hafa anisan’i Babylona Lehibe.

Tsy mampiseho ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina àry i Ohola sy Oholiba. Misy zava-dehibe kokoa noho izany anefa ianarantsika rehefa mieritreritra an’ireo vehivavy ireo isika. Hitantsika hoe ahoana no fiheveran’i Jehovah an’izay miseho ho manompo azy nefa manala baraka ny anarany masina sady tsy mankatò ny fitsipika apetrany ho an’izay manaraka ny fivavahana madio. Tena meloka àry ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina satria mihambo ho misolo tena an’ilay Andriamanitra resahin’ny Baiboly ny fivavahana rehetra ao amin’izy io. Ankoatra an’izay, dia lazain-dry zareo fa i Jesosy Kristy, ilay Zanaka malalan’i Jehovah, no mpitarika azy nefa mifanohitra amin’izany ny zavatra ataony. Mampianatra ry zareo hoe anisan’ny Andriamanitra telo izay iray i Jesosy. Tsy mankatò an’ilay baikon’i Jesosy hoe tsy tokony ho “anisan’izao tontolo izao” koa ry zareo. (Jaona 15:19) Mbola manompo sampy foana ry zareo sady mitsabaka amin’ny politika, ka hita hoe tena anisan’ilay “mpivaro-tena lehibe.” (Apok. 17:1) Tsy maintsy hihatra aminy koa àry ny sazy hihatra amin’ny fivavahan-diso rehetra!

Hiverina any amin’ny toko 15, fehintsoratra 16, 17

a Ilay hoe Ohola dia midika hoe “Tranolainy [Fivavahana].” Nisy fotoana ny Israelita tsy nampiasa ny tempolin’i Jehovah tao Jerosalema, fa nanamboatra toerana ho azy manokana mba hivavahana. Dia mety ho izay no tiana horesahina amin’io anarana io. Ilay hoe Oholiba kosa midika hoe “Ao Aminy ny Tranolaiko [Fivavahana].” Mampahatsiahy io anarana io hoe tany Jerosalema no nisy ny trano natao hivavahana tamin’i Jehovah.

    Fagnajariam-boke Tandroy (2008-2025)
    Hiboake
    Hizilike
    • Tandroy
    • Hizara
    • Firafitse
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifagnekeagne
    • Fifagnekeagne Miomba ty Tsiambaratelo
    • Fanapahan-kevetse Miomba i Fifagnekeagney
    • JW.ORG
    • Hizilike
    Hizara