Fagnamarehagne Ambane Peje
c Hafa mihitsy ny filaharan’ireo fakam-panahy ireo ao amin’ny Filazantsaran’i Lioka. Ny ao amin’ny Matio anefa no azo inoana hoe milahatra arakaraka ny fotoana nisehoany. Nahoana isika no milaza an’izany? 1) Marina fa samy nampiasa an’ilay teny hoe “avy eo” na i Matio na i Lioka, rehefa hiresaka an’ilay fakam-panahy faharoa. Ilay “avy eo” ao amin’ny Matio anefa avy amin’ny teny grika hoe toʹte, izay ampiasaina mba hampidirana an’izay zava-nitranga manaraka. Ilay “avy eo” nampiasain’i Lioka kosa natao hampitohizana hevitra fotsiny. 2) Azo inoana fa ilay fakam-panahy roa miantomboka amin’ny hoe “raha zanak’Andriamanitra ianao” no nandeha voalohany, izay vao ilay fakam-panahy handika an’ilay didy voalohany indrindra. (Eks. 20:2, 3) Mitombina kokoa mantsy hoe nitaona an’i Jesosy an-kolaka aloha izy, izay vao novantaniny izay tena notadiaviny. 3) Azo inoana hoe ilay fakam-panahy fahatelo noresahin’i Matio no nitranga farany, satria niteny i Jesosy taorian’ilay izy hoe: “Mandehana ianao, ry Satana!”—Mat. 4:5, 10, 11.