Fagnamarehagne Ambane Peje
a Mampahatsiahy antsika ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah ny zavatra noresahin’i Ezekiela momba an’ireo zavaboary ireo. Manam-pahaizana maro no mieritreritra hoe “Manao Izay Hahatonga Izy” no dikan’io anarana io. Manana heviny roa izy io, ka ny iray amin’izany dia hoe ataony izay hahatonga ny zavaboariny ho azony ampiasaina sy hiova arakaraka izay ilana azy mba hanatanterahana an’izay kasainy.—Jereo ny Fanazavana Fanampiny A4 ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.